airtel

Sosialy

27-janv-2023

Sosialy

Mahajanga Mila tsy ho taka-bidy intsony ny legioma

Sample post image

Mila tsy ho azo vidiana intsony ny legioma ao Mahajanga ao. Misy mivarotra 7.000 Ariary ny kilaon'ny karaoty,

27-janv-2023

6.000Ar ny an'ny ovy raha tafiakatra 11.000 Ariary kosa ny 1 kilao amin'ny haricots verts ao amin'ny Bazarin'i Tsaramandroso ao . Omaly maraina no tena nahitana taratra io fiakaram-bidy io. Raha araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana moa dia tsy ny legioma ihany no nahitana fitomboana ny vidiny eny an-tsena fa eo ihany koa ny hena sy ny vary izay tafiakatra 1.000 Ariary ny kapoaka, eo ihany koa ny voatabia izay efa lasa 700 Ar ny singany iray ary efa mahatratra 1000 Ariary izany amin'ireo mpivarotra sasany. Mitaraina amin'ny fanararaotana hataon'ireo mpivarotra eny an-tsena vokatr'izany ireo mpanjifa rehetra any an-toerana. Manao antso avo amin’ny Foibe fandrindrana ny Varotra any amin'ny faritra Boeny noho izany ireo mpanjifa hijerena akaiky izao fidangan'ny vidin-javatra eny anivon'ny tsena izao.
Pati
(Sary tahiry)
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Mikasa hamita tetikasa famatsian-drano ankehitriny ny fikambanana Mamiratra Antehiroka,

Card image cap
25-juil-2024

Nampitolagaga ny maro ny fihetsiky ny vehivavy iray tao Toamasina omaly.

Card image cap
24-juil-2024

Mahamasina Hanomboka anio Alarobia 24 Jolay etsy amin’ny kianjan’i Barea Mahamasina ilay Foara Trano

Card image cap