airtel

Sosialy

07-août-2026

Maitre Mamy

Henintsoa Rajeriarison

Sample post image

Mila ovaina ny sazy ho an’ireo

07-août-2026

olona manao heloka mavesatra»
Mila ovaina ny sazy ho an’ireo olona manao heloka mavesatra toy ireny fitsaràm-bahoaka izay miseho lany ankehitriny ireny, hoy ny mpisolovava, Maitre Mamy Henintsoa Rajeriarison. Mbola tsy misy an’izay, hoy izy, eto amintsika nefa rehefa misy io dia hatahotra ny olona andeha hanao ilay heloka. Na ny vahoaka aza efa mitady izany. Maivana loatra tsinona ny sazy hoe gadraina fotsiny ilay olona. Lasa mitroatra be koa ny vahoaka amin’izao hoe «andao vonoina ilay olona!» na «endahana koa ny masony» na «odorana» sy ny toy izany. Tsy afaka manao izany isika fa tsy maintsy mijanona amin’ny voalazan’ny lalàna. Vahaolana avy amiko, noho izany, ny hoe mila atao mavesatra be ny sazy miandry ilay olona. Gadra mandra-pahafaty no sazy miandry voalazan’ny lalàna. Tsy miteny kosa nefa ny lalàna hoe «sans possibilité de remise de peine» na tsy afaka mahazo famelàn-tsazy na «sans possibilité de jouir de la grâce présidentielle», izany hoe, tsy hahazo famindràm-pon’ny filoham-panjakàna na koa «sans possibilité de corvée extérieure», izany hoe, tsy hahazo manao asa ivelan’ny fonja. Tsy misy an’izay ny lalàna fa na mamoaka aza ny fitsaràna fa gadra mandra-pahafaty ilay olona dia any aoriana any raha adinodino ilay raharaha fa mahavita 20 taona na mihoatra, ohatra, ilay olona dia lasa mahazo fanalefahan-tsazy izy dia mivoaka. Mila avahana tsara ny olona tena nanao heloka lehibe. Tsy misy azo hamindràna fo noho iny antony zavatra nataony iny rehefa voalaza ny didy, izany hoe tapitra ny dingam-pitsaràna rehetra. Mila marihina, noho izany, ny olona nanao heloka lehibe hoe tsy afaka hahazo fanalefahan-tsazy na hahazo miasa ivelan’ny fonja satria ny olona voafonja mety afaka mamita sazy ivelan’ny fonja. Tokony hampiharina, noho izany, io lalàna voalaza teo io ary atao fantatry ny olona. Ekena fa efa manana fonja isan-karazany isika ary efa fantatry ny mpitsara hoe alefa aty ity olona ity na any Tsiafahy io na Avaradrano na Antanimora. Ekena fa tsy mitovy ny trano hipetrahana any fa tokony mbola hanana fonja isika ho an’ny olona nanao heloka lehibe ohatran’ny any amin’ny firenena mandroso. Mifatotra rojo ny voafonja any. Ampidirina an-tranomaizina tena maizina tsy mahita masoandro na hoe «au trou» ireo olona ireo. Misy fitsipika mazava anatin’io fonja io. Izay koa ilay hoe mampianatra ny fonja. Azo atao eto izany. Ilaina koa ny fisorohana tahaka ny hoe ireny olona manana toe-tena varira ireny izao tokony apetraka amina ivotoerana manokana. Tokony arovana amina toerana manokana ireny varira ireny! Manana andraikitra hiaro ny olompireneny ny fanjakàna, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija 

Dans la même rubrique

07-août-2026

Hatsangana any Androy ny ozinina goavana

Card image cap
07-août-2026

azo volena no voatondraka rano

Card image cap
06-août-2026

Hanomboka amin'ity volana ity ny asa

Card image cap