airtel

Sosialy

02-nov-2023

Mampiaka-peo ny Randrana sendikaly

“Vahao izao ny lalàna momba ny politika sy sosialy!”

Sample post image

Hatramin’ny taona 1960 i Madagasikara no mpikamban’ny OIT na Sampana iraisampirenena momba ny asa ka tena

02-nov-2023

sarotiny, noho izany, ny Randrana sendikaly, raha vao ny zon’ny mpiasa no kitikitihana. Nanao sonia fifanarahana iraisampirenena marobe toy ny 87 sy 98 isika, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Barson Rakotomanga. Mitaraina ny mpitarika sendika eny anivon’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena na MEN, hoy izy. Andefasana mpitandro filaminana any an-tranony. Ampihorohoroana ny vady aman-janany. Toy izay koa ny tetsy anivon’ny antenimierandoholona. Nofoanana ny fisondrotana toerana efa azo noho ilay hoe mitarika sendika. Efa afa-baraka nandritry ny fihaonambe iraisampirenena faha 111 momba ny asa tany Genève i Madagasikara tamin’ity taona ity. Nabaribary tao fa manitsakitsaka ny fifanarahana ara-tsendikaly dia izao fa miseho indray io. Atsaharo fa tsy mpitarika sendika fotsiny ireo fa sady mpiasa! Sady voakitikitika ny zo sendikaly sy ny zon’ny mpiasa. Lasa resaka politika foana no hanajabahana ny mpiasa sy mpitarika sendika. Isany ilay raharaha Gangstabab farany teo. Mbola hiha mafy io tolonay io ary rehefa mpiasa na miankina io na tsy miankina amin’ny fanjakana dia mila hajaina ny zony. Samy manakorontana firenena daholo izao na ny ataon’ny aty amin’ny mpitondra na ny ataon’ireo kandida miisa 10 ka izay no iantsoanay ny mpiasa hoe andao isika hanao hetsiky ny sendika! Tsy hoe manohana ny hetsiky ny kandida 11 ny hetsiky ny sendika. Efa taloha izany hoe ho ento aty ny praogramanareo dia ho karakarainay ianareo! 63 isika izao, nokarakarain-drizareo tokoa. Ny karama midina, ny fiahiana ara-tsosialy tsy misy tokontaniny, ny zokiolona tangena no haniny. Ny hitovizanay amin’ireo mpitolona ireo dia ny hoe ahemory aloha ny fifidianana fa tsy hilamina intsony satria efa tsy mifankahazo ny samy mpitarika politika. Ny mpiasa foana avy eo no mizaka ny vokany ka ampirisihanay ny fifanarahana politika. Apetraho ao koa ny fifanarahana sosialy satria tsy namaha olan’ny mpiasa mihitsy ireo mpitondra hatramin’izay! Avoahay ny sata akampobeny vaovao momba ny mpiasam-panjakana na SGAP. Mihitsoka ao amin’ny fanjakana ao daholo izao io sy ny sata mifehy ny asa ary ny sata mifehy ny sosialy. Vahao ao anatin’izao korontana izao ny lalàna momba ny politika sy sosialy, hoy hatrany ny Randrana sendikaly! Nidina an-dalambe teny Ampefiloha moa ny Randrana sendikaly ny talata teo ho mariky ny tsy fahafaliany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

mitsangana handrodana rehefa feno ny kapoaka

Card image cap
30-mai-2025

Sahiko ny miteny fa tafakatra 85 hatramin’ny 90% amin’ny vahoaka Malagasy no mahantra,

Card image cap