Efa ao anatin'ny vanim-potoanan’ny hafanana rahateo ny any an-toerana amin’izao ka saika efa ritra avokoa ireo loharano mamelona ny renirano. Tapaka ao anatin'ny fotoana maharitra hatrany ny toby fakana rano na ny"borne fontaine". Mahatsiaro ho sahirana araka izany ny mponina. Anisan’ny tena miaina matetika izany raha araka ny vaovao azo ny Fokontany Mandritsara Vaovao, sy ireo faritra avo maromaro ao andrenivohitr'Androna. Raha araka ny fanazavana azo avy tamin’ny orinasa JIRAMA mpamatsy rano moa dia vokatry ny fahasimban’ny milina mampakatra ny rano avy ao Mangarahara no antony mahatonga izany. Mbola ao anatin’ny fanarenana tanteraka ny tompon’andraikitra amin’izao.
Nangonin’i Pati
Navoitran’ny tatitra “Born into the Climate Crisis 2. An Unprecedented Life :
Mahatratra 2.400 ny isan’ireo mpiasa maty am-perin’asa isan-taona ho antsika eto Madagasikara,