airtel

Sosialy

05-janv-2023

Sosialy

Mangily Ifaty Sahirana ny mponina, tsy misy asa mandeha

Sample post image

Sahirana avokoa ireo mponina ao Mangily Ifaty any amin’ny distrikan’i Toliara II. Tsy misy afa-tsy ny fambolena sy ny fizahan-tany mantsy no hany no seha-piveloman’ireo mponina any an-toerana.

05-janv-2023

Noho ny tsy fisian’ny rotsak’orana anefa dia tsy misy ny vokatra miakatra. Vitsy dia vitsy ihany koa ireo vahiny tonga any an-toerana hany ka tsy mandeha ny resaka fizahan-tany. Mitaky foto-drafitr’asa ho fampandrosoana ny faritra sy orinasa goavana araka izany ny Ben’ny Tanànan’ny kaominin’i Belalanda hahafahana manampy ireo mponina ao amin’ny faritra iadidiany. Nomarihiny moa fa hetsika maro no efa notontosain’ny orinasa Base Toliara tao amin’ny faritra iadidiany sy ny manodidina rehetra ka anisan’izany ny fandefasana ireo tanora nanao fiofanana tany Kenya. Ny fitondram-panjakana sisa araka izany no andrasana hoy izy ireo mba hitondra ny anjara borikiny fa tena mangirifiry ny mponina.
Nangonin’i Pati
Legende : Mangina hatramin’ny resaka fizahantany eto Mangily
 

Dans la même rubrique

19-mai-2025

Navoitran’ny tatitra “Born into the Climate Crisis 2. An Unprecedented Life :

Card image cap
19-mai-2025

Mahatratra 2.400 ny isan’ireo mpiasa maty am-perin’asa isan-taona ho antsika eto Madagasikara,

Card image cap