airtel

Sosialy

02-févr-2023

Sosialy

Marovoay_Voka-dratsin’ny rivodoza Rava hatrany amin’ny 95% ny fambolem-bary

Sample post image

Rava hatrany amin’ny 95% ny fambolem-bary any amin’ny distrikan’i Marovoay vokatry ny fandalovan’ny rivo-doza Cheneso.

02-févr-2023

Raha tsiahivina kely anefa dia anisan’ny sompitr’i Madagasikara ity distrika iray ity ankoatra an’Ambatondrazaka, Faritra Alaotra Mangoro. Very fanahy mbola velona ireo tantsaha mpamokatra vokatr’izany no sady mampahafantatra sahady fa mety hidangana ny vidim-bary raha toa ka tsy misy ny famonjena sy ny fanampiana azy ireo. Tsiahivina moa fa betsaka ireo nanararaotra ireo tantsaha tany an-toerana nandritra ny fandalovan’ny rivo-doza Cheneso farany teo iny. Marobe mantsy ireo omby very sy trano novakian’ny jiolahy, tranga niseho nandritra ny tsy fahafahana nivoaka vokatry ny ora-nikija tsy niato. Tonga nanolotra fanampiana ho an’ireo traboina tany an-toerana omaly ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary nahitana menaka, fotsimbary…Tsiahivina moa fa miisa 20.000 ireo traboina any amin’ny distrikan’i Marovoay amin’izao fotoana izao.
Pati
Legende : Simba avokoa ny voka-bary any Marovoay !
 

Dans la même rubrique

01-déc-2023

Raha toa ka tany amin’ny laharana faha-119 firenena 121 isika ny taona 2022 teo amin’ny tondro maneran-tany

Card image cap
28-nov-2023

Voasokajy ho firenena mahantra sy fadiranovana indrindra maneran-tany i Madagasikara,

Card image cap
28-nov-2023

Miha mikaikaika i Antananarivo amin’ny fahatapahan-drano lavareny,

Card image cap
28-nov-2023

Tafakatra 700 Ar sahady ny iray amin’ny atody akoho amin’izao eny an-tsena raha efa misy

Card image cap