airtel

Sosialy

14-sept-2023

Médaille de travail” tsy ara-dalàna

Nitory ireo mpiasa, hijery akaiky ny Sendika

Sample post image

Ny sendika FISEMARE, CTM, SEKRIMA no nifarimbona nanohana ireo mpiasa niady ho an’ny tsy rariny mahazo azy

14-sept-2023

ireo eo anivon’ny orinasa iasany nanoloana ny sampan-draharaha fanaraha-maso ny asa tetsy Antsahavola omaly. Betsaka ny fototry ny savorovoro, hoy ny Sekretera Jeneralin’ny Firaisam-ben’ny sendikan’ny mpiasa malagasy revolisionera na FISEMARE, Mananandro Jean Raphaël, satria niainga tamin’ny fanapahana karama ilay izy dia tonga teo amin’ny resaka filàna an-davan’andro na PPN dia nandeha tamin’ny resaka famoahana medalin’asa na “médaille de travail” tsy ara-dalàna. Tsy mahagaga moa ilay zava-misy, hoy izy. Lalàmpanorenana aza hitsakitsahan-drizalahy ka maika ve fehezan-dalàna mifehy ny asa? Hijery akaiky sy hanaraka izao raharaha izao ny sendika 3 tonta, na izany na tsy izany. Manomboka any amin’ny toeram-piasana hatrany amin’izay hitondrany azy. Mandeha amina lalana miisa 2 izao ny dosie. Ny 1 ady heloka. Ny 1 ato amin’ny sampan-draharaha manara-maso ny asa. Miandry ny valiny fa mazàna moa rehefa ny mpampiasa no mitory dia mandeha aingana ny raharaha. Rehefa ny mpiasa dia tsy hay intsony izay iafarany. Izay aloha no zava-misy eto Madagasikara. Hanampy ny mpiasa amin’ny famahana olana sy fametrahana ny fitoniana ara-tsosialy eny anivon’ny toeram-piasana ny sendika. Manome tolon-tsaina no anjaran’ny sendika fa rehefa tena tsy azo hanoharana dia tsy maintsy haka mpisolovava angamba, hoy hatrany izy ireo!
J. Mirija
Sary fanehoana
 

Dans la même rubrique

19-mai-2025

Navoitran’ny tatitra “Born into the Climate Crisis 2. An Unprecedented Life :

Card image cap
19-mai-2025

Mahatratra 2.400 ny isan’ireo mpiasa maty am-perin’asa isan-taona ho antsika eto Madagasikara,

Card image cap