airtel

Sosialy

25-févr-2022

Sosialy

Migrevy indray ny mpiasan’ny CTC-19 “Tsy misy asa eo raha tsy mivoaka ny karamanay”

Sample post image

Mifoha indray ny fitakian’ireo mpiasan’ny fahasalamana niasa tamin’ireo CTC-19 (Centre de Traitement Covid-19). Mpitsabo, mpitsabo mpanampy, mpitsabo misehatra amin’ny fitsaboana ny covid-19 noraisina ny aprily 2021

25-févr-2022

. Mitaky ny famoahana ny karama volana janoary sy febroary izy ireo, izay nilaza fa leo sy tofoka tanteraka amin’ny tsy firaharahiana sy fanaovana tsinontsinona. Tsy aloa ara-dalàna ny karama, fa mila takiana foana ary 4 volana nisesy tara foana, raha ny nambaran’izy ireo. Tara lava reny, tsy araka ny taratasy fifanarahana, ka takian’ireto mpiasan’ny CTC ireto ny handoavana ny karaman’izy ireo ara-dalàna, raisina isam-bolana. Talohan’ny krisimasy no nandray karama farany, ka nitaky indray ny valin-katsembohany tetsy amin’ny Minisiteran’ny fahasalamana tetsy Ambohidahy omaly. Rehefa nandalo tamin’ny Tale ara-bola dia nolazaina fa ny sekretera no mandray sy hitondra fanazavana. Tsy nahazo valinteny mahafa-po tamin’ny minisitera anefa izy ireo raha ny nambarany, kanefa ora telo no niandrasana. Nilaza fa manana dia aleha any amin’ny Primatiora indray no tompon’andraikitra, raha ny fanazvana. Noho izany, manome fe-potoana hatramin’ny anio amin’ny 8ora maraina ireo mpiasan’ny CTC, ary hampiato ny asany manomboka anio, raha tsy mivaly ny fitakiana. Ho avy ao daholo ny mpiasan’ny CTC rehetra, ary tsy ny CTC eto Antananarivo ihany, fa miray hina ny manerana ny Nosy, hoy ireo mpiasan’ny fahasalamana. Hatramin’izao ve dia mbola misy sehatra ara-panjakana raha tsy migrevy tsy mahazo ny tambin-karamany? Ao anatin’ny vanim-potoana mampafampana ny raharaham-pirenena saingy tsy hay angamba ny misoroka azy. Ny tena loza, manaratsy hatrany ny sary ho an’ny Fanjakana satria raha ny tatitry ny Fitsarana momba ny kaonty, volabe tsy toko tsy forohana no nomen’ny mpamatsy vola hiatrehana ny covid-19. Ny mpiasa tena miatrika mivantana ny valanaretina anefa tsy mahazo karama ara-dalàna, raha toa ka volabe amina miliara Ar maro no ahiana ho mivily làlana, mety nisy nanodina, nanaovana bizim-pianankaviana sy fanjakana,… Izany ve no antsoina hoe: fanjakana tsara tantana? Sa nisy nanodinkodina ihany koa ny karaman’izy ireo ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Mikasa hamita tetikasa famatsian-drano ankehitriny ny fikambanana Mamiratra Antehiroka,

Card image cap
25-juil-2024

Nampitolagaga ny maro ny fihetsiky ny vehivavy iray tao Toamasina omaly.

Card image cap
24-juil-2024

Mahamasina Hanomboka anio Alarobia 24 Jolay etsy amin’ny kianjan’i Barea Mahamasina ilay Foara Trano

Card image cap