airtel

Sosialy

14-oct-2022

Sosialy

Mitaraina ireo mpiasa Tsy mipetraka ny lalàna fototra momba ny asa

Sample post image

Izahay mpiasan’ny orinasa afakaba angamba isany mampidi-bola anaty kitapom-bolam-panjakana nefa tsinontsinoavin’ny mpitondra rehefa misy fampiakarana karama,

14-oct-2022

hoy ny mpiasana orinasa afakaba iray, Rajaona Mandimbisoa. Miantso ny filoham-pirenena izahay, hoy izy, hoe jereo izahay satria raha misy ny fampiakaran-karama any amin’ny fanjakana hatramin’izay dia ataonao isan’ambaratonga ilay izy. Aty amin’ny sehatra tsy miankina anefa tsy izay fa lasa mampisavorovoro anay mpiasa, hoy hatrany ny tenany. Araka ny nambaran’I Ravelonjafy Basile, delege ao amina orinasa iray, kosa dia maniry toy ny anana ireo mpiambina na “sécurité” toa azy eto Madagasikara. Mandray andraikitra momba ny filaminana anatiny eto amin’ny firenena izahay, hoy izy. Betsaka anefa ny orinasa momba ny fiambenana izay tsy manara-dalana ary manitsakitsaka zon’ny mpiasa tanteraka ao anatin’ny fampiasana olona. Mitombo ny ora iasana. Tsy voafaritra koa ny toerana. Tsy manara-dalana na ny karama, na ny asa, na ny ora iasana. Mangataka amin’ny fanjakana izahay hanakatona ny orinasa tsy manara-dalana hisokafan’ny manara-dalàna, hoy hatrany ny tenany. Ho anay misehatra amin’ny lamba na “textile” kosa indray, hoy ny mpisehatra amin’izany, Lalao Nirina, dia maninona ny mpandraharaha eto Madagasikara no minainaina vao misondrotra kely ny karama fa maninona ny orinasa misehatra amin’io any ivelany mahavita manakara an-tapitrisa maro no sady mampiantrano sy miantoka sakafo? Ny lalana fototra ara-kasa mihitsy izany no tsy mipetraka eto. Ny tanora malagasy lasa misehatra any ivelany dia rehefa misy anefa ny maty dia may ny fanjakana mampody azy. Samy Dolara no hamarotana ny vokatra eto sy any nefa resaka 250.000 Ariary dia mampinainaina ny mpampiasa ka mangataka ny fitondram-panjakana hijery ifotony ny zava-misy, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Legende: Ravelonjafy Basile
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap
23-avril-2024

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

Card image cap
23-avril-2024

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

Card image cap
23-avril-2024

Tsy mety amin’ireo tompona magazay sy mponina manodidina an’Analakely ny fandaminana

Card image cap
23-avril-2024

Sahirana ireo mpitsabo, manoloana ireo trangan’aretina misy manoloana ireo

Card image cap