tia tanindrazana

Parution du Lundi, 27 Mars 2023

airtel

Sosialy

Mitaraina ireo mpivarotra Mihena be ny fanjifan’ny olona vary

Mihena be mihitsy ny fanjifan’ny olona vary eny an-tsena eny amin’izao fotoana. Tsy mahalany vary iray gony intsony ny mpivarotra iray ao anatin’ny herinandro,

17-mars-2023

Sample post image

 raha araka ny fanadihadiana natao, indrindra fa vary gasy. Mikasika ity farany manokana mantsy dia tsy mitsahatra miakatra ny vidiny no sady mbola manahirana ihany koa ny mitady azy.
MATY ANTOKA
Lasa alaina 3600 Ar ny iray kilao aminy any amin’ny mpambongady ary amidy 3800 Ar rehefa tonga eny an-tsena. Alaina 3500 Ar kosa ny vary makalioka iray kilay ary hamidy 3600 Ar. Tsy zakan’ny vahoaka intsony izany, antony manosika ny sasany hivadika hividy katsaka maina indray amin’izao izay marihina fa efa mahatratra 1100 Ar ihany koa ny iray kapoaka raha 600 Ar teo aloha.
4 KAPOAKA
Na mividy vary aza ny tokantrano iray dia nambarany fa tsy mihoatra ny 4 kapoaka isan’andro intsony izany noho ny fahasahiranana. Nomarihin’ireo mpivaro-bary moa fa hatrany am-potony mihitsy no mampiakatra ny vidim-bary ho 100 Ar isan-kapoaka isan-tapa-bolana fa tsy avy amin’izy ireo velively.
Pati
Legende : Miaka-bidy hatrany ny vary eny an-tsena !
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Fikambanana « JAMAIS MORT » Nanampy ny vahoaka tany Vangaindrano
27-mars-2023

Ho fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao 2023 dia nanatanteraka hetsika sosialy tany amin’ny distrikan’i Vangaindrano ny fikambanana Jamais Mort. Fitsinjarana

Card image cap
Fikambanana misahana ny fifindra-monina Tonga eto ny Kandidan’ny Amerikanina
24-mars-2023

Mitsidika an’i Madagasikara ny Sekreteram-panjakana Lefitra Amerikana Michele J. Sison sy ny kandidan’i Etazonia

Voir plus