hoy ny fampitam-baovao voaray omaly. Tsikaritry ny mpanara-maso avy amin’ny MICC fa amin’ireo mpanangom-bokatra mitondra kamiao manatitra mivantana eny an-tsena ireo mpivarotra sasany no maka vary gasy fa tsy amin’ny mpamongady. Tsy misy arak'izany ny faktiora nividiana ny entana. Tsy hajain'ireo mpanjinjara sy mpanangom-bokatra ny zotra amin’ny lalam-barotra. Tsy fanaraha-dalàna izany rehetra izany. Hentitra amin’ny tsy maintsy ananan’ny mpivarotra faktiora ny MICC ahazoana manara-maso sy manaporofo ary manamarina ny tena vidin'entana. Etsy ankilany dia mitohy ny fanaterana vary tsinjo eny amin’ireo mpivarotra amin’ireo toerana be mponina eto Antananarivo sy ny manodidina. Ny alatsinainy 20 marsa 2023 teo dia tsenakely miisa 184 any anatin’ny fokontany miisa 55 no nahazo vary 45,55 taonina. Amidy amin’ny 650 Ariary ny kilao amin’io vary io, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
Raikitra ny tsenabe Fivoarana andiany faharoa, karakarain’ny Fikambanana Fivoriana
Olana miampy olana mandavan-taona ny an’ny Jirama !