araka ny niheritreretina tany am-piandohana, ny fivorian’ny firaisankinan’ireo mpiasa malagasy sy ny sendikan’ny mpiasa amin’ity anio ity, raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Handray fanapahan-kevitra momba ny raharaham-pirenena izy ireo, raha ny ankapoben’ny fandaharam-potoana voalaza. Tsy ny sitrapon’ny mpanao politika na depiote no atao eto, hoy moa raha tsiahivina, ny fanambaran’izy ireo farany. Rehefa tsy hihavana, hoy izy ireo, ny mpanao politika dia ho ampikatsoanay ny asa, indrindra, ny asam-panjakana dia izay hifanosehanareo eo. Aza atao sorona ny vahoaka malagasy, hoy hatrany izy ireo!
J. Mirija
Raikitra ny tsenabe Fivoarana andiany faharoa, karakarain’ny Fikambanana Fivoriana
Olana miampy olana mandavan-taona ny an’ny Jirama !