mifehy ny sata ankapoben’ny mpiasam-panjakana izay milaza ao amin’ny andininy faha 75 fa omena tambim-pandehanana hisotro ronono ferana ho 12 volana amin’ny karama noraisina farany ary izany dia mihatra avy hatrany. Araka ny didim-panjakana 2003-993 tamin’ny 7 oktobra 2003 izay manamafy ao amin’ny andininy 2,3,4 fa “manan-jo hahazo tambim-pandehanana hisotro ronono ferana ho 12 volana amin’ny karama izay noraisiny farany. Araka ny didim-pitsarana 032-CPJ ny 27 oktobra 2018 navoakan’ny filakevim-panjakana, izay nanafoana ny taratasy 98-2016-MFB/SG/DGGFPE/DTLE/SLC/DRL ny 22 jolay 2016 izay namaritra ny karama noraisina farany ho satan’ny mari-karama na “codes rubriques 500,501,502,503,506” irery ihany. Ny tena marina anefa dia misy satan’ny mari-karama manampy ireo, arakaraky ny sokajin’asa misy azy avy ary miditra ao amin’ny antotan-taratasy mamaritra ny karama noraisina farany. Nisy toromarika laharana 131-2018 MFB/SG/DGGFPE/DTLE ny 6 desambra 2018 izay mamaritra ny fomba fikajiana ny “indemnité d’installation a la retraite”. Araka izany rehetra izany dia nasaina namorona antotan-taratasy avokoa ny mpiasam-pirenena retirety tsirairay mba hanitsiana ny an’ireo efa nandray fa diso kajy ireo. Akory ny hagagana fa tampoka teo dia nivoaka ny naoty laharana 60-2019 MEF/SG/DGFAG ny 5 aprily 2019 nampihantona ny fandoavana ilay ambim-bola izay zonay tanteraka ny misitraka izany. Manoloana izany dia noraisinay ho fanararaotam-pahefana sy tsy fanarahan-dalana ary manitsakitsaka ny zo maha olona ity naoty nampiantona ny lalana sy didim-panjakana ary ny didim-pitsarana. Nangataka fanafoanana io naoty laharana 60-2019 io teo hanatrehan’ny filankevim-panjakana, fitsarana an-tampony Anosy ny mpiasam-panjakana misotro ronono. Isaorana tanteraka ny fitsarana sahy nijoro amim-pahendrena ka nanandratra avo ny fahamarinana araka ny didim-pitsarana 039/CEP/CE ny 6 aprily 2022 izay nanafoana tanteraka ny naoty laharana 60-2019 MEF/SG/DGFAG io. Antsoy ny laharana 0346420371 na 0331472234 na 0342180502, hoy hatrany izy ireo, niantso ireo mpiasam-panjakana retirety hatramin’ny taona 2003 hitaky ny fampiharana io didim-pitsarana io.
J. Mirija
Navoitran’ny tatitra “Born into the Climate Crisis 2. An Unprecedented Life :
Mahatratra 2.400 ny isan’ireo mpiasa maty am-perin’asa isan-taona ho antsika eto Madagasikara,