airtel

Sosialy

02-févr-2023

Sosialy

Mpihavy 30 nampiasaina teny Ambohijanaka 3 volana tsy nomena vola, giazana ny mombamomba azy

Sample post image

Mpihavy 30 mianadahy avy any amin’iny distrikan’Ambatondrazaka, Fianarantsoa, Ambositra….

02-févr-2023

iny no tonga nitaraina teny amin’ny trano Aro Zo Andohatapenaka omaly rehefa notsipahin’ny mpampiasa azy nefa niasa tamina toerana fiompiana biby teny Ambohijanaka teny. Nantsoina mba hanao "ferme" izy ireo saingy efa ho 3 volana izao mbola tsy nandray karama ihany. Mamelom-bady aman-janaka avokoa anefa raha misy mitondra zazakely mihitsy ireo vehivavy sasany izay nahavita nandao ny tanindrazany mba hitady vola. Raha araka ny fantatra moa dia nalain'ny mpampiasa azy avokoa ny karapondro sy ny findain’izy ireo raha misy naman'izy ireo roalahy hafa kosa voalaza ho tsy hita popoka tao amin'ilay ferme. Noraisin'ny fokontany Andohataenaka II moa izy ireo hatramin’ny omaly noho ny tsy fisian’ny sakafo haniny sy ny trano hatoriany. Miantso ny tompon’andraikitra mba hijery akaiky ity raharaha ity izy 30 mianadahy ireto.
Nangonin’i Pati Legende : Zaza amam-behivavy ny ankamaroan’izy ireo !

 

Dans la même rubrique

24-avril-2025

Tsikaritra eto Antananarivo amin’izao fandraisana ny Fivoriamben’ny Vaomieran’ny Ranomasina Indianina

Card image cap