Notokanana androany ny tranom-pitantanana vaovaon'ny Birao Nasionaly misahana ny Fanjarian-tsakafo (ONN) eny Nanisana. Nivoitra nandritra ny lanonana, fa misy fandrosoana ny tahan'ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka eto Madagasikara, izay nihoatra ny 39% tamin'ny taona 2021 ary nidina ho 37% tamin'ny taona 2025, araka ny tatitry ny Fanjakana. Mbola mila ezaka be kosa ny any Atsimo sy Atsimo Atsinanana satria tena mbola mampanahy ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika. Mbola ny ampahatelon'ny zaza latsaky ny dimy taona, ianjadian'izany, ary misy tranga hita ihany koa eto Antananarivo sy ny faritra hafa, raha ny tatitra. Tanjon'i Madagasikara ny hampidina izany taha izany ho 30% alohan'ny hanolorana ny fahefana amin'ny mpitondra manaraka eo, hoy ny Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison. Tokony hanana hambom-po sy fitiavan-tanindrazana ary finiavana hiara-hientana hanarina ny Firenena ny Malagasy, hoy hatrany izy. Navoitrany fa iray amin’ireo antony lehibe mahatonga ny tsy fanjarian-tsakafo ny fahantrana, ka paikady maro lafy no tsy maintsy ampiharina mba hiadiana amin’izany. Na izany aza, hamehana ihany koa ny tsy fanjarian-tsakafo, ka tsy maintsy asehon’ny Fanjakana Malagasy fa vonona handray andraikitra sy hiaro ny ain’ny Malagasy ireo tompon'andraikitra isan- tsokajiny. Tsy azo ekena intsony, hoy ny Praiminisitra, ny toe-javatra ankehitriny, izay saika ireo mpiara-miombon’antoka vahiny no mamatsy ny ankamaroan’ny tetibola entina miady amin’ny tsifanjariantsakafo. Tokony haneho fahavononana sy handray an-tànana ny fiainantsika isika Malagasy, ary ny fanampian’ireo mpiara-miombon’antoka vahiny dia tokony ho fanohanana fanampiny ihany. Hampitomboina noho izany tetibolan’ny Ofisim-pirenena ho an'ny Fanjariantsakafo (ONN). Nanao antso tamin’ny Mpandrindra Nasionalin’ny ONN ny Praiminisitra mba hananganana “Basket Fund”, ho mariky ny firaisankina sy ny fifanomezan-tànana eo amin’ny samy Malagasy amin’ny ady amin’ny tsifanjariantsakafo. Nanamafy ny jeneraly Rabearimanana Lucien, Mpanolotsaina Avon'ny Fanavaozana ny Repoblika, fa zara raha misy fandraisan'anjaran'ny Fanjakana ao anatin'ny tetibolan'ny ONN kanefa ny Malagasy no tokony ho tompon'andraikitra voalohany amin'ny mahazo azy fa tsy hiantehatra amin'ny vahiny foana. Dia andrasana indray izany ny vokatra...
Toky R