airtel

Sosialy

25-nov-2022

Sosialy

Nihinana yaourt tsy fantatra Tsy nahatsiaro tena ilay zazavavy kely 10 taona

Sample post image

Mbola tsy mahatsiaro tena hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay ilay tovovavy kely 10 taona nihinana yaourt tsy fantatra niaraka tamin-dReniny sy ny zandriny kely iray tao Toamasina.

25-nov-2022

Araka ny fitantaran'ilay renim-pianakaviana lasibatra ity, dia fianakavian'izy ireo ihany no nanome ilay yaourt raha mamo kosa ilay olona nanome. Avy hatrany dia torana izy 3 mianaka raha vantany vao avy nihinana izany. Tsy nivaky loha akory anefa ilay fianakavian’izy ireo raha araka ny fantatra ary tsy mbola nisy tonga nitsidika azy ireo hatramin’ny omaly hariva hoy ny vaovao. Mbola ao amin'ny trano fameloman’aina, efitrano faha- 12 ao amin'ny sampandraharaha misahana ny ankizy ao amin’ny hopitaliben’i Toamasina moa izy ireo no manaraka fitsaboana koa mangataka fanampiana amin’ireo tsara sitrapo.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

21-mai-2025

Raikitra ny tsenabe Fivoarana andiany faharoa, karakarain’ny Fikambanana Fivoriana

Card image cap
20-mai-2025

Olana miampy olana mandavan-taona ny an’ny Jirama !

Card image cap