Isan’ny mampihisatra ny fandrosoana io satria ny olona sy vahoaka vahoaka noana dia tsy tena afa-mamokatra. Manodidina ny 40% eo ny tahan’ny voakasiky ny tsy fanjarian-tsakafo. Nisy fihatsarany anefa io tao anatin’ny 20 taona farany satria niainga 56,4% ny taona 1992 ary 39,8% ny 2021. Voasokajy ho tena ambony be anefa io, raha ny fanamarihan’ny UNICEF na ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny zaza sy ny reny. Ny antontan’isan’ny UNICEF Madagascar tamin’ny fiandohan’ity volana ity, dia milaza fa mahatratra 874 000 olona ianjadian’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika any amin’ny Faritra Atsimon’i Madagasikara amin’izao fotoana izao, araka ny fanadihadiana tafiditra amin’ny fanasokajiana mikasika ny antoka momba ny fanjarian-tsakafo. Ahiana vao mainka hihombo io noho ny fandalovan’ny rivodoza Freddy. Arakan y vinavina, ankizy hatrany amin’ny 115 000 any amin’io faritra io no mila fikarakarana manokana hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika. Noho ny tsy fanjarian-tsakafo eto Madagasikara, mahatratra 37% amin’ny vehivavy 15 hatramin’ny 49 taona no tratry ny “anémie” na tsy fahatomombanana ara-pahasalamana, ary 17% amin’ny zaza vao teraka no tsy ampy lanja. Mahatratra 14,5% amin’ny harin-karena faobe na PIB kosa ilay 3 384 miliara very noho ny fisiany sy ny fiantraikany, raha ny antontan’isan’ny PAM nandritra ny fampahafantarana lehibe na “symposium” mikasika ny fanjarian-tsakafo ny zoma 17 martsa lasa teo. Mba hiatrehana izany, misy ny politika nasionaly vaovao hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo izay heverina hotanterahina ny 2022-2030, ary voalaza fa mametraka ny drafitra marolafy momba ny tsy fanjarian-tsakafo 2022-2026. Nampahafantarina ofisialy nandritra ny hetsika nasionaly momba ny fanjarian-tsakafo ny zoma teo ireo antontan-kevitra roa ireo, ka fanamby ny hiantohana ny zo hisitraka fanjarian-tsakafo araka ny tokony ho izy, fa hampiroboroboana ihany koa ny fahasalamana sy ny fanatsarana ny fiainan’ireo vondron’olona ianjadian’izany.
Tena ny tsy fanjarian-tsakafo ve no mahery vaika sy tsy mety resy sa ny finiavana politika no tsy ampy? Sa lalaovina mihitsy hitadiavana famatsiam-bola? Mbola midadasika I Madagasikara, ary azo hamokarana avokoa ny faritra rehetra. Tantsaha ny 80 hatramin’ny 90% amin’ny mponina. Tena mifandraika amin’izany ve ny politika hitantanana ny firenena? Tena mipaka any ve ny fampandrosoana sy ny fitsinjaram-pahefana sy vola? Omen-danja ve ny politikam-pamokarana sa ny rendrarendra sy mamirapiratra no mahamaika sy hamafazana ny volam-bahoaka ?
Toky R
Hanamarika ny faha-25 taonany amin’ity taona 2023 ity ny hetsika ara-toekarena “Foire International de l’habitat” na
Tena miaka-bidy hatrany ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro eny an-tsena. Anisan’izany ny savony