airtel

Sosialy

13-août-2026

Olana ara-tsakafo

Tombanana hahatratra 3 720 000

Sample post image

ireo olona ho voakasika

13-août-2026

Naneho fankasitrahana ny Fanjakana Indianina ny governemanta Malagasy tamin'ny alalan'ny Minisitry ny Atitany Rakotonandrasana Hanitra Velonjara Tiaray, izay naneho fa mariky ny firahalahiana sy fifandraisana matotra eo amin'ny Firenena roa tonta izao ny fanampiana ara-bary 5000 taonina. Niantraika tamin'ny fiainan'ny vahoaka, ny famokarana, ny lafiny ara-tsakafo,… ny rivodoza, ary misy ambana lehibe amin’ny haintany, hoy izy, ka zava-dehibe ny fanampiana. Ny tatitry ny IPC ny 15 jolay 2026, dia namoaka fa eo amin'ny 2 570 000 no tafiditra anatin'ny krizy ara-tsakafo na anaty ambana farantampony. Ny tatitra farany navoakan’ny IPC tamin’ny 15 jolay 2026 manambara fa manodidina ny olona 2 570 000 no efa miaina ao anatin’ny krizy ara-tsakafo na eo amin’ny ambaratonga ambony kokoa amin’ny tsy fahampian-tsakafo. Ny vinavina ho an’ny vanim-potoana oktobra 2026 ka hatramin’ny febroary 2027 dia milaza fa mety hiakatra ho 3 720 000 ny isan’ny olona voakasika, ka mihoatra ny 425 000 amin’izy ireo no ho ao anaty hamehana. Ireo vinavina ireo dia mitaky fepetra roa lehibe: famaliana haingana ny filàna manoloana ny toejavatra efa misy, ary ny manamafy avy hatrany ny fepetra mialoha, fanomanana ary fandrindrana, mba hiatrehana ny fitomboan’ny olana izay efa heverina fa hitranga. Ao anatin’io paikady io no nanapahan-kevitry ny Governemanta, tamin’ny alalan’ny Biraon’ny Fanjakana misahana ny Raharaham-bahiny, ny hizara amin’ny fomba stratejika sy miatrika loza maro ireo vary 5 000 taonina. Ny fizarana dia voafaritra araka ny fomba fiasa stratejika mialoha, izay mikendry ny hanamafy ny fahaiza-manao ara-pandraharahana sy ny famaliana haingana ny filàna, ny hanakaiky ny mponina marefo, ary ny hanohana manokana ireo faritra miatrika tsy fahampian-tsakafo. Ankoatra izany, dia manangana tahiry mba hivononana hanampy amin’ny filàna ara-pahasalamana sy ara-tsosialy mety hipoitra amin’ny sehatra nasionaly noho ny vokatry ny El Niño mahery vaika izay tombanana hitranga mandritra ny fotoam-pahavaratra 2026-2027.
Toky R


 

Dans la même rubrique

14-août-2026

ireo tanora sy vehivavy

Card image cap
13-août-2026

nivarotra amoron-dalana

Card image cap
13-août-2026

Nanolotra vary 5000 taonina ho an’i Madagasikara

Card image cap
13-août-2026

Nahitana fiakarany in-droa mihataona

Card image cap