airtel

Sosialy

19-janv-2023

Sosialy

Olona marary saina Mitombo isa isan’andro

Sample post image

Mitombo isa isan’andro ireo olona marary saina hita mirenireny eny rehetra eny eto amintsika.

19-janv-2023

Ankoatra ireo efa nanana olana hatramin’ny fahazazany dia tsy vitsy ireo olon-dehibe mandeha eny an-dalana dia tsy miverina intsony ny sainy raha misy ihany koa ireo teren’ny zava-misy ka tonga amin’ilay antsoina hoe : misy kely. Raha araka ny resaka nifanaovana tamina psykiatra iray dia vokatry ny fahasahiranana amin’ny ankapobeny no mampitombo isa ireny olona lasa adala na misy kely ireny. Maro loatra hoy izy ny adin-tsain’ny olona ankehitriny izay manomboka amin’ny bitika indrindra ka hatrany amin’ny lehibe indrindra. Tsy araka izay anefa hoy izy ny vola miditra sy ny fahafahana mamaha izany hany ka tsy vitsy ireo tsy mahazaka ary tsy miverina intsony ny sainy. Toraka izany koa hoy izy ireo hanaovan’ny sasany an-kasoparana ka ny sainy mihitsy no lasa tsy ao intsony. Ny tena olana amin’izy ireny anefa dia maro amin’ireo havany no tsy mahazaka azy intsony. Misy ihany koa ireo tsy azo tazonina fa tsy maintsy mivoaka ny trano isan’andro ka ahiana hamono olona. Ho an’ny etsy Analakely manokana ohatra dia manodidina ny 20 eo ho eo isan’andro raha kely ireo olona marary saina tazana eny an-toerana. Misy ireo mahavita miboridana mandehandeha mihitsy raha tsy manao takon-kenatra intsony ny sasany no sady mahavita manitsy ireo olona mifanena aminy. Antso avo araka izany no hatao amin’ny kaominina mba hijery ireny olona marary saina maro eto an-drenivohitra ireny. Diso be loatra mantsy izy ireny ka tandindomin-doza tanteraka ny fiaraha-monina.
Pati
Legende : Misy amin’ireo adala eny an-dalana no mamono olona maro
 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Betsaka ireo olona mihevitra fa rehefa manam-bola na manana diplaomabe hahafahana

Card image cap
17-avril-2024

Vary lo 124 taonina no nopotehina ny alatsinainy teo tao Toamasina, rehefa voatilin'ny laboratoara fa tsy azo hohanina intsony.

Card image cap
17-avril-2024

7,4% ny fiakaran’ny tondro momba ny vidin-javatra teo anelanelan’ny febroary 2023 hatramin’ny febroary 2024,

Card image cap
17-avril-2024

Nivoaka ofisialy omaly 16 aprily ny fanamafisan’ny Minisitry ny toekarena sy fitantanam-bola sy ny Minisiteran’ny asa ny didim-panjakana 2024-794 tamin’ny 02 Aprily 2024 mamaritra

Card image cap
16-avril-2024

Tsy mbola voavaha ihany fa vao mainka miharatsy ny olan’ny rano ao anatin’ny kaominina Alasora, distrikan’Avaradrano.

Card image cap
16-avril-2024

Miaina anaty tahotra sy tebiteby ny ankamaroan’ireo mponina ao anatin’ny distrikan’Atsimondrano

Card image cap