Mihisatrisatra ny fanarenana ny orinasa SECREN ao Antsiranana na teo aza ireo fanapahan-kevitra sy tohana ara-bola nataon'ny fanjakana. Vao ny volana Jolay 2026 teo no nandray ny asany ny Tale jeneraly vao notendrena Milison Félicien hitarika ny fanarenana ity orinasam-panjakana ity nefa misy ampahana mpiasa mitaky ny fanesorana azy sahady noho ny olana ara-pitantanana ankapobeny araka ny filazan'izy ireo. Etsy andaniny anefa dia efa misy ny vava asa, toy ny fisian'ny sambo handalo fanarenana hataon'ny SECREN. Nisy iraka manokana avy amin'ny Minisiteran'ny fampiroboroboana ny indostria sy ny fampivelarana ny sehatra tsy miankina tonga tany Antsiranana ny fiandrohan'ny herinandro teo. Nisy ny fihaonana sy fifampidinihana mivantana tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny sy ny mpiasa. Notanterahina ihany koa ny fitsirihana lalina, hamantarana mazava ny tena fototry ny olana misy eo anivon’ny orinasa. Naneho fahatokisana ary nisaotra ny ezaka ataon’ny Minisitera ireo mpiasa ary vonona hiandry am-pitoniana ny vokatry ny fitsirihana sy ny fanapahan-kevitra ara-drariny hivoaka. Fantatra nandritra izany koa fa efa voarain’ny orinasa SECREN ny vola mitentina 10 miliara Ariary, avy amin’ny fitondram-panjakana, ho fampitomboana ny renivolan’ny orinasa sy ho fanohanana ny dingana fanarenana. Miroso amin’ny fitadiavana vahaolana maharitra ho fanarenana ny SECREN araka izany ny Fitondram-panjakana tarihin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, Kôlônely Randrianirina Michaël, ity farany izay efa tonga nijery ifotony ny zava-misy tao amin'ny SECREN sy nandroso vahaolana tamin'ny fiandohan'ny volana janoary 2026.
Jean D.
Fihaonan'ny iraky ny Minisiteran'ny fampiroboroboana ny indostria sy ny solontenan'ny mpiasa