andro etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina ny fankalazana nasionaly ny « Herinandron’ny rano. Mandeha ny fihetsiketsehana samihafa, toy ny atrikasa sy tsenabe ho an’ny Rano, ka mandeha ny fanentanana amin’ny hoe andeha isika hiara-hifanome tanana amin'ny fitantanana maharitra ny tahirin-drano ho antoky ny fampandrosoana. Lohahevitra nosafidiana amin’io rahateo ny hoe : « Omentsika lanja ny tahirin-drano, ho antoky ny fampandrosoana maharitra ». Rehefa zohiana, ny fihetsiketsehana sy ny sehoseho ivelany aloha betsaka ho an’ny mpitondra raha resaka politika mikasika ny rano. Ireny niaraha-nahita ireny ny adihevitra tamin’ny fifidianana Filoham-pirenena 2019 tamin’ny resaka « dam » izay fotodrafitrasa fitehirizan-drano, saingy tsy azon’ilay kandida iray izay lasa filoha akory ny dikany sy ny lanjany. Dia miteny ho azy ny antontan’isa sy krizy sosialy momba ny resaka rano, raha tsy hilaza afatsy ny eto Antananarivo Renivohitra rehefa maintany. Vao ny 20 martsa no namoaka ny Afrobaromètre fa ny 75% amin’ny Malagasy no tsy nisitraka rano fisotro madio ho an’ny taona 2024. Betsaka amin’ny mponina mazava ho azy no mbola misotro rano avy amin’ny loharano tsy ara-pahasalamana, ka mitarika aretina toy ny tazo, ny aretin’ny tsinay, na ny kolerà. Any Atsimo, izay ahitana hain-tany miverimberina, dia mbola manjaka ny tsy fahampian-drano sy ny tsy fisian’ny rafitra toy ny lavadrano, fitoeran-drano na fitaovana fampidirana rano amin’ny fambolena.Azo sokajiana ho stratejika be ny rano eto ambonin’ny tany amin’izao vaninandro iainantsika izao noho ny fiovaovan’ny toetr’andro sy fahasimban’ny tontolo iainana. Na dia azo sokajiana ho mbola manana loharanon-karena voajanahary aza anefa i Madagasikara, dia mbola miatrika olana lehibe amin’ny resaka fitantanana ny rano. Ity olana ity, izay tena manimba indrindra any amin’ny faritra ambanivohitra sy any amin’ny faritra atsimon’ny nosy vokatry ny tsy fisian’ny politika mazava sy maharitra, tsy fahampian’ny fandrindrana eo amin’ny sehatra samihafa. Mbola atrikasa sy sehoseho ivelany aloha no betsaka hatreto !
Toky R
Sahiko ny miteny fa tafakatra 85 hatramin’ny 90% amin’ny vahoaka Malagasy no mahantra,