airtel

Sosialy

30-juil-2026

RAMAROSANDY HERIZO

3 MIANAKA Hisy ONG mety hanampy azy

Sample post image

Hisy ONG mety hanampy azy

30-juil-2026

Ramarosandy Herizo 3 mianaka amin'ny Alatsinainy ho avy io. Raha tsiahivina kely ny tantara dia nisedra olana mafy ity Raim-pianakaviana sy i Princy Junior kely zanany lahy voalohany vao 3 taona monja andro vitsy lasa izay. Maty teo am-piterahana ny zandrin'ity zaza ity mantsy ny Reniny andro vitsy lasa izay. Ilay zaza vao teraka koa eo an-daniny vao 7 volana monja dia latsaka saingy avotra soa amantsara ihany saingy tsy maintsy natao ao anaty couveuse. Olona sendra nifanena tamin'izy mianaka no nahita azy ireo efa vizaka sy torovan'ny lalana ka nitantarany ny zava-misy. Fantatra tamin'izany fa nandeha dia an-tongotra avy eny Ambohimangakely ho any Andoharanofotsy izy mianaka. Ho eny amin-dry masera haka ronono no anton-diany, avy eo hanatitra izany any amin'ny maternité misy ilay vao teraka. Bisikoitra Turbo kely iray no mba hany sakafo nohanin'i Junior kely nandritra izany raha tsy nihinana kosa ny Rainy. Fantatra moa fa miasa tena i Herizo. Tsy maintsy mitsahatra tsy miasa izy noho izany mitazona i Junior kely. Manampy trotraka ny tsy fisiana. Tapitra lany tamin'ny fandevenana ilay taolan-tehezany mantsy ny vola teo am-pelatanan'ity Raim-pianakaviana ity. Fantatra moa fa nanam-pikasana maro izy mivady teo aloha toy ny hoe : hanao didim-poitra an'i Junior, sy hampiditra ity farany hianatra. Toraka izany koa ny hoe : hitsena ilay menaky ny aina vao teraka nefa indrisy. Tsiahivina moa fa nandritra io fotoana nivezivezen'izy mianaka io dia mbola tsy tonga ny ronono fanampiana avy amindry Masera. Narary ihany koa i Junior kely noho ny kankana niakatra ka efa noraisin'ity olona tsara sitrapo ity an-tanana ny fitondrana azy tany amin'ny dokotera.. Toraka izany koa ny fividianana fitafiana ilay zaza vao teraka. Tsy mbola voahomana ara-dalana mantsy ny fandraisana an-tanana ity farany noho izy tonga 2 volana mialoha. Mbola miantso ireo malala-tanana sy terem-panahy rehetra ity olona tsara sitrapo ity mba ho avy hanatevin-daharana hanampy azy 3 mianaka ireto.
Nangonin'i Pati
Légende : Izy mianakakely efa resaky ny lalana sy ny dia nataony !
 

Dans la même rubrique

31-juil-2026

Hiezaka hampitombo harinkarena ny fitondràna

Card image cap
31-juil-2026

omena izay tratra manao azy»

Card image cap
30-juil-2026

ny CUA tsy misy mpanolotsaina…

Card image cap