Ny an’ny tsy miankina niandry teo. Nitady teny hanazavana iny 250.000 Ariary iny kay ny fanjakana. Jereo tsara hoe may, jona, jolay, izany hoe, 3 volana vao nivoaka ny didim-panjakana. 2 volana taorian’izay indray vao nivoaka ny didim-pitondrana. 5 volana taty aoriana izany vao nisy fisondrotan-karama taty amin’ny sehatra tsy miankina. Midika izany fa tsy narahan’ireo orinasa iny didim-pitondrana iny na nosoniavina minisitra miisa 3 aza. Ny minisitry ny asa moa nilaza hoe tsy misy karama midina. Notoheriny izany ny sonia nataony ny 31 septambra. Ilay didim-panjakana ny 21 jolay izany no nivoaka. Ilay 626 iny izany no manan-kery sy tokony hampiharina. Vao midina izany io karama io dia hanao fitoriana toy ny nataonay tamin’ny herintaona izahay. Fitoriana faobe hitambarana isaky ny orinasa. Hain’ny fanjakana sy mpampiasa tsara ny dikan’izany hoe fitakiana hitambarambe. Ny andininy faha 209 ao amin’ny fehezan-dalana sy ny tontolony dia tsy olana mihitsy na fitokonana aza no hiafaran’io rehefa hita hoe famotehana ny mpiasa malagasy aty amin’ny sehatra tsy miankina izany fampihenana karama izany. Tsy niakatra izany 238.000 Ariary izany satria ny didim-pitondrana tamin’ny 31 septambra dia nilaza fa 250.000 Ariary ny karama farany ambany, hoy hatrany ny Randrana sendikaly.
J. Mirija
Ho fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao 2023 dia nanatanteraka hetsika sosialy tany amin’ny distrikan’i Vangaindrano ny fikambanana Jamais Mort. Fitsinjarana
Mitsidika an’i Madagasikara ny Sekreteram-panjakana Lefitra Amerikana Michele J. Sison sy ny kandidan’i Etazonia