Nisy ny fidinana ifotony nataon’ny Randrana sendikaly, raha ny fampitàm-baovaon’ity sendika ity omaly. Nandalo tamin’iny faritra avaratra iny, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Barson Rakotomanga. Nojerena lavitra mihitsy hatramin’ny fahafahana mankany, hoy izy. Notsidihana, ohatra, iny Port Berger, Mampikony, Antsohihy, Ambanja, Befandriana avaratra, Mandritsara. Isan’ny toerana nidinan’ny Randrana sendikaly izany rehetra izany tamin’iny volana ambony iny. Fantantsika tsinona fa misy amin’izao fotoana izao ny fiakarana karama, izay sosonkevitry ny mpampiasa no narahin’ny fanjakàna. Hita teny ifotony nefa fa mikaikaika amin’ny afitsoky ny tomponandraikitra na tompon’ny orinasa tsirairay avy ny mpiasa. Tomponandraikitra amin’ny tokony ho fanaraha-maso ny fampiharana iny didim-panjakàna fanondrotan-karama iny nefa ny fanjakàna. Ny any amin’ireo sehatra antsoina hoe «sécurité privé» no tena mikaikaika ny mpiasa. Izany asana «sécurité privé» na mpiandry tanàna izany nefa tsy azo atao ny matory na mikipy fotsiny akory. Raha te hivoaka fa poritra dia tsy maintsy miandry mpanolo. Na ny fanaovana akanjo mafana aza manahirana fa tsy maintsy izay akanjo omen’ny orinasa no anaovana. Mety akanjo manify nefa io. Mbola etsy andaniny nefa ny mikasika ny fisondrotan-karama. Tsy alefan’ilay orinasa koa ny karama ambony ampanga na «rappel». Tokony kajiana hatramin’ny ora ambony apanga. Orinasa eto Antananarivo aza nahazoana fitarainana hoe miziriziry tsy mampiakatra karama. Tokony handray fanapahan-kevitra amin’ireny ny fanjakàna ary ny mpiasa koa antsoina handefa ny fitarainany aty amin’ny sendikà. Mila atambatra io fitarainana io ary tereo ny sendikà misy anao hanamafy fitakiana. Tsy vitan’ny dinika sosialy io fampiakaràn-karama io. Mbola tsy manaja koa nefa ny mpandraharaha mpampiasa. Misy sendikà sasany moa milaza hoe milamina ny fampiharana ilay didim-panjakàna nefa ny orinasa nalehanay rehetra toa an’iny faritra avaratra iny dia tena tsy milamina. Ny resaka sosialy moa dia tena tsy mba misitraka ny zony amin’ireny maha mpikamban’ny CNaPs azy ireny mihitsy ny mpiasa. Misy tsy voarotsaka ny latsakemboka. Ny CNaPs tsy te hahalala anao fa avy dia tsy azonao ny zonao. Misy sasany mahazo fa tara. Na efa ela aza ilay izy no nomen’ny CNaPs dia mbola ahodin’ny orinasa indray ve vao alefa any amin’ny mpiasa? Miantso ny GEM hanentana ny mpandraharaha ao aminy hanaraka lalàna. Hitantsika amin’ny filazàm-baovao samihafa moa izao ny hoe miverina mifampiresaka ary miramirana ny mpandraharaha sy fanjakàna. Handroso ve ny firenena raha ny mpandrahara fotsiny no voakarakara fa ny mpiasa potehiny? Tsy maintsy miainga aty amin’ny mpiasa ny fanavaozana! Mila avaozina aloha ny zo rehetra momba ny mpiasa. Namaha olana politika daholo no nahamaika ny mpitondra teo dia natao ambanin-javatra ny olana ara-tsosialy, hany ka tany an-kady no nihafaràny. Mihetsiketsika daholo izao ny minisitera dia mba mihetsiketsika koa io ny minisiteran’ny asa fa hoe manomana fihaonamben’ny mpiasa. Tena fantatry ny minisiteran’ny asa ve hoe fanavaozana no hatao? Fanontaniana mikasika ny lalàna mifehy asa na «code de travail» efa misy, izay mamoritra mpiasa, io izao indray no alefany aty. Anontanio mpahay lalàna izany andininy faha 240 amin’ny lalànan’ny asa izany! Hatramin’ny taona 2022 ny Randrana sendikaly no nanana tolokevitra hanovàna ny tontolon’ny asa fa tsy vitan’ny «code de travail» fotsiny io. Efa nalefa tany parlemanta sy rafitra samihafa izany fa fandaniana andro, raha io «code de travail» io fotsiny no ifantohana. Handrafitra didim-panjakàna amin’izany ve no ho atao amin’io hoe dinika ho an’ny asa io? Anjaran’ny CNTE na Filankevim-pirenena momba ny asa no manao izany fa tsy sendikà. Hevitra hanavaozana ny tontolon’ny asa no misy idiran’ny sendikà, hoy hatrany ny Randrana sendikaly.
J. Mirija