airtel

Sosialy

09-janv-2023

Sosialy

Saribao Lasa 500 Ar ny iray famarana eny an-tsena

Sample post image

Tsy mahazo saribao iray famarana intsony 100 sy 200 Ar amin’izao eny an-tsena. Efa niakatra 500 Ar tsy misy kadoany intsony izany vokatry ny fiakaran’ny vidin’ity harina fandrehitra ity.

09-janv-2023

Raha araka ny resaka nifanaovana tamina mpivarotra saribao iray teto an-drenivohitra dia noho ny fiakaran’ny saran-dalana hitondran’ny kamiao azy no mahatonga izany. Raha 4.000 Ar teo aloha ny mitondra ny iray gony iray dia lasa 8.000 Ar ankehitriny tonga eto an-drenivohitra, miainga avy any Ankazobe, Talatavolondry sy ny manodidina iny. Nampiakatra ny vidin’ny saribao ihany koa ireo mpamokatra azy any am-potony. Lasa 15.000 Ar ny iray gony, miampy ny vola alain’ny mpitandro ny filaminana eny an-dalana hoy hatrany ity mpivarotra ity ka tafakatra 30.000 Ar ihany ny iray gony vao tonga eto. Amin’ireo gony salantsalany io raha araka ny fantatra fa efa misy mahatratra 50.000 Ar kosa ny amin’ireo gony lehibe. Raha araka ny fanazavan’ity mpivarotra ity hatrany moa dia mbola mety hiakatra ny vidin’ny harina indrindra raha vantany vao mijojo tsy miato eo ny ranon’orana vokatry ny haratsian-dalana sy ny tsy fisian’ny harina fandrehitra miakatra.
Pati
Legende : Lafo dia lafo ny saribao amin’izao eny an-tsena
 

Dans la même rubrique

07-mai-2024

Firenena manana taha ambony dia ambony amin’ny trangana tsy fahampian-tsakafo aty

Card image cap
06-mai-2024

Mahatratra 60000m3 isan’andro ny tsy fahampiana rano eto Antananarivo amin’izao fotoana izao

Card image cap