airtel

Sosialy

22-déc-2022

Sosialy

SECES Antananarivo “Mananontanona eto amin’ny firenena ny mosary ara-bary”

Sample post image

Amin’izao taom-pamokaram-bary izay voatohintohin’ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny fihafanan’ny tany izao dia misedra olana goavana ireo tantsaha mpamoka-bary satria zary lasa tsy voafehiny intsony ny fotoam-pambolena

22-déc-2022

amin’ny tany famokarany, hoy ny fanambaran’ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra na SECES eto Antananarivo omaly. Tsy latsa-danja amin’ireo no hita saika manerana ireo sompitra ara-bary eto Madagasikara toa an’Alaotra sy Marovoay, hoy izy ireo. Raha ny tena marina dia mihantona tsy mety milatsaka ny orana any Alaotra ankehitriny. Mbola latsaky ny 10%n’ny toeram-pambolena isan-taona no voavoly vary. Efa manify dia manify ny tahirim-bary any Antsihanaka amin’izao fotoana izao satria tafakatra 800 Ariary ny vidin’ny vary fotsy iray kapoaka. Raha tsy misy ny firotsahan’ny orana ampy sy matetitetika faran’izay haingana any amin’ireo sompitra ireo dia tsy azo ihodivirana ny fisian’ny mosary goavana eto amin’ny tany sy ny firenena amin’ny taona hoavy 2023. Vahaolana mahomby no aroson’ny SECES Sampana Antananarivo dia ny fandrotsahana orana artifisialy misesisesy any an-toerana rehefa azo antoka fa feno ny fepetra ahafahana manatanteraka izany. Miantso ny fitondram-panjakana mahefa ny SECES Sampana Antananarivo mba handray andraikitra haingana ho fisorohana ny mosary ara-bary izay mananontanona eto amin’ny tany sy ny firenena, hoy hatrany ny SECES Antananarivo.

J. Mirija

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Tahaka ireo fokontany sasany ao anatin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo,

Card image cap
19-avril-2024

Nanambara ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, raha ny fampitam-baovao voaray omaly,

Card image cap
19-avril-2024

Nanatanteraka valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ireo tale vitsivitsy eo anivon'ny Kaominina Antananarivo

Card image cap
19-avril-2024

Lasa tanana mampalahelo, feno entana miparitaka ny etsy Ampefiloha ambadiky ny Cnaps

Card image cap