Niteraka fahaverezan-jo ho an’ny mpiasa ny savorovoro mitranga eo anivon’ny ACM na ny «Aviation civile de Madagascar», izany hoe, ny Sampan-draharaha misahana ny habakabak’i Madagasikara amin’izao fotoana izao, raha ny fanazavàn’ny teo anivon’ny FISEMARE na Firaisamben’ny sendikà malagasy revolisionera, tetsy amin’ny biraony etsy Anjanahary omaly. Araka ny fanazavàn’ny sekretera jeneralin’ity sendikà ity, Mananandro Jean Raphael, dia ny resaka sosialin’ny mpiasa, fisondrotan-karama, saram-ponenana na «indemnité de logement» amin’ny ankapobeny no nifampiresahana. Tsy zatra mitabataba ny sendikànay, hoy izy, fa mifampiresaka aloha. Rehefa tsy mahomby izany vao mampahafantatra ny zava-misy amin’ny haino aman-jery toy izao. Ny teo anivon’ny sampan-draharahan’ny asa no nanomezana dika mitovy, araka ny voalàzan’ny lalàna momba ny atao hoe «différend collective» na tsy fifankahazoana ara-tsosialy, rehefa nandeha ny dingana samihafa. Rehefa hidina ifotony ny mpanara-maso ny asa dia nilaza ireo fa tsy mahefa satria raharaham-pirenena ny ACM. Mazava nefa ny voalaza anaty satan’ny asa na «code de travail» fa anjaran’ny mpanara-maso asa anivon’ny faritra no mandray ireny taratasy amin’ny dingana arahana rehefa misy disadisa sosialy anivona orinasa ireny. Voatery tsy maintsy nentina anivon’ny minisitera izao ny raharaha na dia tsy voalazan’ny sata mifehy ny asa aza izany. Tsiahivina fa ny raharaha AirMad tamin’ny 2015 dia ny sampan-draharaham-paritra Analamanga no namahana ny olana. Anatin’ny fanavaozana isika izao ka tokony hiezaka hanao zavatra mahintsy sy mifanaraka amin’ny lalàna. Mitohy ny fampiantsoana eny amin’ny Birao miady amin’ny kolikoly na Bianco ka mihorohoro amin’izany izao ny mpiasa. Diso ny filazàna fa resaka diplaoma hosoka no nampiantsoana ireo mpiasa ireo. Mba mipetraka amin’ny toeran’ny mpiasa fa mafy ny mahazo azy satria efa miasa, mamokatra nefa mbola tratran’izao. Alarobia no mihevitra hitokona ny mpiasa raha mbola tsy henoina sy vahàna ny olany satria izay no heverina hampahomby ny fitakiana. Azo atao ny mitokona, raha ny voalaza anaty fehezan-dalàna mifehy ny asa fa tsy fanakorontanana akory izany. Raha ny voalaza dia hoe nisy fotoana ny oniversite nianaran’ilay mpiasa no niantso tamin’izany fotoana izany hoe fa nisy inona tao aminareo fa nisy nanontany izahay. Rehefa nandeha ny fanadihadiana dia ny fomba nidiran’ilay olona tao amin’ny ACM indray no nadihadiana. Sao diso lalana isika ? Ny hamahana ny olan’ny mpiasa no tanjona, hoy hatrany ny Fisemare.
J. Mirija