Tokantrano miisa 816 no fantatra fa efa mampihatra ilay voly an-drenivohitra eto amintsika amin'ny alalan'ilay tetikasa Aintsoa hiarahana amin'ny ONG GRET, vatsian'ny Agence Française de Développement vola. Ny mba hahafahana manolotra sakafo ara-pahasalamana sy maro loko ho an'ny isam-pianakaviana no tanjona hahafahana miady amin'ny tsy fanajarian-tsakafo mahazo ny ankizy madinika. Vehivavy miisa 103 avy amin’ny Fokontany 8 ao anatin'ny kaominina Antananarivo Renivohitra noho izany no nisitraka fiofanana ho mpandrisika amin'io fambolena an-tanan-dehibe io. Asa hiantsorohan'izy ireo ny hanampy sy hanoro ny vehivavy isan-tokantrano hahafahana manao zaridaina fambolena sakafo eo an-tokontany. Toraka izany koa ny fanohanana ara-teknika azy ireo, ny hanitatra ny tetikasa... Notolorana mari-pakasitrahana izy ireo omaly Talata 08 Septambra rehefa nahavita izay fiofanana izay. Ny tetikasa Aintsoa moa dia miady amin'ny tsy fanajarian-tsakafo ho an'ny ankizy, raha tsiahivina. Raha ny antontan'isa mantsy dia ny 37% amin'ireo zaza latsaky ny 5 taona eto Madagasikara no tratry ny fahataran’ny fitomboana. Araka izany dia mitondra anjara biriky eo amin'ny ady amin'ny tsy fanajarian-tsakafo amin'ireo Fokontany eto anivon'ny kaominina Antananarivo ny tetikasa toy izao hoy ny teo anivon'ny kaominina Antananarivo Renivohitra, indrindra ny fiaraha-miasa amin'ireo mpiara-miombonantoka samihafa. Ankoatra ny fiofanana, dia nahazo tohana ara-pitaovana ihany koa ireo vehivavy miisa 103 ireo ho fampiharana ny asa ho tanterahany eny ifotony.
Pati
Légende : Ireo vehivavy mpandrisika hanaparitaka ny tetikasa sy hanohy ny asa !