teo anivon’ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro tamin’ity fiandohan’ity volana septambra ity dia manomboka amin'ny oktobra 2026 hatramin'ny aprily 2027, amin’ny ankapobeny, no taom-pahavaratra eto Madagasikara. Ao anatin’io vanim-potoana io no milatsaka ny ankamaroan'ny rotsakorana mandritra ny taona, izay mahatratra eo anelanelan'ny 60% sy 100% amin'ny fitambaran'ny rotsak’orana isan-taona, arakaraka ny faritra. Io ihany koa no vanim-potoanan'ny rivodoza sy orambe nefa mety hisian'ny haintany ihany koa any amin'ny faritra sasany. Amin’io fifandimbiasan-javatra ara-toetrandro io indrindra no ilaina fantatra ny anjara toeran’ny tranga lehibe iray amin’ny toetrandro manerantany antsoina hoe «El Niño». Tranga voajanahary miseho rehefa mafana mihoatra noho ny tokony ho izy ny hafanan’ny Ranomasimbe pasifika eo amin'ny faritra manakaiky ny Ekoatera izy io, hoy ny fanazavàna. Na dia lavitra an'i Madagasikara aza io ranomasimbe io dia manova ny fivezivezen'ny rivotra manerantany izany fiakaran'ny hafanana izany. Misy fiantraikany amin'ny toetrandro any amin'ny faritra maro eran'izao tontolo izao. Isany i Madagasikara. Tsy ny El Niño irery no mamaritra ny toetrandro eto amintsika. Misy ihany koa ireo tranga hafa toy ny antsoiny hoe "Dipôle de l'Océan Indien" na IOD, ny "Dipôle Subtropical de l'Océan Indien" na SIOD, ny "Mousson", izay rivotra avy any avaratra sy avaratra andrefan'i Madagasikara, ny "Ilaifito" na «Zone de Convergence Intertropicale»na ZCIT. Ireo tranga rehetra ireo no miara-mamaritra ny fizotry ny taom-pahavaratra eto Madagasikara. Araka ny fanadihadiana nataon’ny Foibe famantarana ny toetr’andro, mety hitovitovy amin’ny fahavaratra 1982-1983 ny fikorontanan’ny rotsakorana mandritra ny fahavaratra hoavy. Misy faritra mety ho voakasiky ny tranga mahery vaika toy ny tondra-drano na fiakaran’ny renirano mandritry ny fotoana fohy. Ny faritra sasany kosa mety hisedra fanamby goavana amin’ny tsy fahampian’ny rotsakorana. Ho marolafy, araka izany, ny dona sy ny mety ho fahavoazana ho aterany amin’ireo sehatra sy toerana isan-tsokajiny. Na izany aza dia mbola arahina maso miandalana hatrany izany. Misy ny fiankinana amin’ny tranga hafa toy izay efa voatonona teo ary mbola voafetra ny vinavina lavitr’ezaka momba ireo. Ny rivodoza sy ny rotsak’orana betsaka izay ateraky ny tranga “ilaifoto” na ZCIT. Mbola tsy voafaritra tanteraka ny fizotry ny taom-pahavaratra 2026–2027. Havaozina tsy tapaka ny vinavina izay vokarin’ny Foibe famantarana toetr’andro hahafahana miomana mialoha sy mandray fanapahan-kevitra mifanaraka amin'izany, raha ny fampitàm-baovao hatrany. Tsikaritra ho niverina nanerikerika matetika moa tato ho ato ny teto afovoantany ka dia miverina mametra-panontaniana ny mpanara-baovao indray ny mikasika ity tranga voajanahary ity sy ny mety ho fifandraisany amin’izao toetr’andro izao. Andrasana, araka izany, ny fepetra fiomanana sy fisorohana ny loza, raha sanatria mety hitranga izay loza izay, avy eo anivon’ny fitondràm-panjakàna fa indrindra ny Biraom-pirenena misahana ny loza sy tandindon-doza na ny BNGRC.
Nangonin’i J. Mirija