airtel

Sosialy

23-janv-2023

Sosialy

Siramamy Namakia Efa naparitaka eny an-tsena, 3800 Ar ny kilao

Sample post image

Efa mahatratra 6.000 Ar amin’izao ny iray kilao amin’ny siramamy fotsy eny an-tsena. Vidiana 1500 Ar ny fahefany ka tena mampitaraina sy mampikaikaika fatratra ny mpanjifa.

23-janv-2023

Niezaka nitady vahaolana ny Ministeran’ny Varotra sy ny fanjifana manoloana izany amin’ny alalan’ny fanapariahana ilay siramamy Namakia. Efa tonga eny an-tsena nanomboka tamin’ny sabotsy teo izy io, hamidy amin’ny vidiny 3800 Ar ny iray kilao. Toeram-pivarotana enta-madinika maro no efa nahitana izany toy ny eto Antananarivo sy ny manodidina, ahitana ny tsenan’Isotry, Mahamasina, Namontana, Pavillon 102 etsy Analakely, 67 ha, Mahazo, Ambohimangakely, Ambohidratrimo, Alakamisy Fenoarivo ary Itaosy….Fiaraha-miasan’ny MICC sy ny SPM no nahafahana nanatontosa izany. Tanjon’ny Ministra tompon’andraikitra ny hanamaivanana ny fahasahiranan’ny isan-tokantrano manoloana ny fidangan’ny vidin’ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro ankehitriny.
Pati
Legende : Tsy tokony ho lafobe intsony ny vidin’ny siramamy eny an-tsena
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Mikasa hamita tetikasa famatsian-drano ankehitriny ny fikambanana Mamiratra Antehiroka,

Card image cap
25-juil-2024

Nampitolagaga ny maro ny fihetsiky ny vehivavy iray tao Toamasina omaly.

Card image cap
24-juil-2024

Mahamasina Hanomboka anio Alarobia 24 Jolay etsy amin’ny kianjan’i Barea Mahamasina ilay Foara Trano

Card image cap