airtel

Sosialy

11-sept-2026

SOALANDY ALAKAMISY

FENOARIVO Efa misy mpivaro-tena an-kalamanjana koa

Sample post image

Tsy misy toerana izay tsy ahitana

11-sept-2026

mpivaro-tena intsony amin’izao. Rehefa misy fiara toy ny kamiao mijanonjanona maharitra na fitobian’ny taxi-brousse ka misy lehilahy dia ahitana azy ireny avokoa. Ny manodidina ny tsena....Ireo vita ihany fa tena mampalahelo dia mihamitombo ireo vehivavy manao ity asa ity an-kalamanjana. Ankoatra ny eny Ankadimbahoaka izay efa fantatry ny maro dia efa ahitana izany ihany koa ny eny Soalandy, kaomininina ambanivohitr’Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Atsimondrano. Ao anaty ala kininina no mamelatra lambakely ireo mpivaro-tena. Mbola lamba ihany koa no hatambany hataony toy ny fefy manambatra ireo kininina ho toy ny rindrina ka ao izy ireo no manao ny hataony. Raha araka ny fantatra anefa dia vava lalanabe io toerana io. Misy olona mandalo, indrindra fa ny ankizy mpianatra. Tsy tahotra tsy henatra anefa ireo mpivaro-tena manao ny asa ratsiny na dia amin’ny andro atoandro aza koa hanaovan’ny mponina antso avo. Tsiahivina moa fa manomboka amin’ny 2.000 Ar no saran’ny maka mpivaro-tena iray amin’ny toerana an-kalamanjana tahaka ireny. 5.000 Ar no lafo indrindra ho an’ireo mbola tanoranora. Raha araka ny resaka nifànaovana tamina tovovavy iray mivelona amin’io asa io dia ireo lehilahy sendra mandalo no tena maka azy ireo ka anisan’izany ny mpamily, ny mpanampin’ny mpamily....
Pati
Légende : Ao anaty ala tahaka izao no manao ny hataony ireo mpivaro-tena !
 

Dans la même rubrique

17-sept-2026

Notokanan’ny Fondation AXIAN NY

Card image cap
17-sept-2026

Tsy vao sambany ny tranga

Card image cap