Banky Foiben’i Madagasikara (BFM), tombanana ho avo kokoa noho ny vinavina tany am-boalohany ny tahan’ny sondrobidim-piainana na "inflation" amin’ity 2026 ity. Tombanana ho 10,1 % ny fiakaran’ny vidim-piainana amin’ny volana desambra, raha 9,3 % no vinavina voalohany. Antony lehibe ny fitomboan’ny vidim-piainana haingana tamin’ny telovolana faharoa sy ny tsy fahatokisana ateraky ny toe-draharaha iraisam-pirenena, indrindra ny ady ara-jeopolitika any Moyen-Orient. Tombanan’ny BFM fa hiakatra 7 % ny vidin’ny vary ary 9,7 % ny angovo amin’ny faran’ny taona. Ny "inflation sous-jacente", izay maneho ny fironana maharitra, dia mety hahatratra 11 %. Raha jerena amin’ny taona iray amin'ny ankampobeny, tombanana ho 8,5 % ny tahan’ny sondrobidim-piainana. Na dia eo aza izany, manantena ny BFM fa hisy fitohizan’ny fahaveloman’ny toekarena amin’ny telovolana fahatelo, indrindra eo amin’ny seha-pihariana voalohany sy fahatelo. Na izany aza, ny tahan’ny fitomboana ara-toekarena dia tombanana ho 3 % ihany, raha 3,8 % no voasoratra tao amin’ny Lalàna momba ny tetibola fanitsiana na ny LFR 2026, noho ny fangatahana anatiny mbola voafetra. Mba hifehezana izany fiakaran’ny vidim-piainana izany, ny teoria siantifika apetraky ny manam-pahaizana dia ny fepetra ara-toekarena toy ny politika "monétaire restrictive" izay mampiakatra ny zanabola mba hampihenana ny fangatahana anatiny. Efa niditra amin’ny fampiasana an’io ny BFM izay nampiakatra ho 12,1% ny « taux directeur ». Eo ihany koa ny politika "fiscale prudente" izay manamafy ny fanangonana hetra sy mampihena ny fandaniana tsy maika. Ny "diversification économique" na fanohanana sehatra maro samihafa mba tsy ho voafatotra amin’ny vokatra vitsy fotsiny, ary ny "contrôle des prix stratégiques" izay manampy amin’ny fanalefahana ny fiakaran’ny vidin’ny vokatra fototra toy ny vary sy solika.bAnkoatra izany, ny "stimulation de la productivité" na fanetsehana ny famokarana izay manamafy ny teknolojia sy ny fanofanana ny mpiasa mba hampitombo ny vokatra, ary ny "ouverture commerciale mesurée" dia manampy amin’ny fampidirana vokatra avy any ivelany amin’ny fomba voafehy,...
Toky R
Miantso fandraisana andraikitra ny fikambanana FACHA