tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 26 Mai 2023

airtel

Sosialy

Sosialim-bahoaka mikorosy fahana Hetsika be any Frantsa anio, aiza ho aiza ny Malagasy ?

Lasa lavitra ny fitakian’ny mpiasa any Frantsa eo anatrehan’ny fikitihana ny lalàna momba fisotroan-dronono natolotry ny governemantan’i Elisabeth Borne, miampy ny fanoherana ilay antsoina hoe:

23-mars-2023

Sample post image

49.3” izay andininy amin’ny lalàmpanorenana hoenti-manamora ny fandaniana ilay lalàna tsy mandalo antenimiera. Tonga hatrany amin’ny fitsipaham-pitokisana ny eo anivon’ny Antenimieram-pirenena noho izay antony izay. Tsara ny mampahatsiahy, fa 13 taona lasa izay raha 60 taona ny olona no mandeha misotro ronono, dia nahemotra ho eo amin’ny faha-62 taonany, ary io 62 taona io indray no hahemotra ho 64 taona ao anatin’ny fanovana tian’ny Fitondrana hapetraka. Mangotraka anefa ny fanoherana! Mandeha ny fitakiana isan’andro, hatokana ho andro lehibe faha-9 hanaovana hetsika goavana anio 23 martsa. Tena mafy ny fitakiana, mangotraka ny fifandonana, an’aliny ny mpitandro filaminana ahetsika,an-jatony ny fisamborana, misy mandeha fitsarana,… fa tsy mampihemotra ny olona rehefa ny heveriny fa ny tombotsoam-bahoaka no voakitikitika, ary tena mampikatso ny toekarena mihitsy ny mpiasa satria hatramin’ny seranam-piaramanidina sy ny fanaraha-maso ny sidina an’habakabaka anio dia voalaza fa hisy fikorontanana anio. Ny resaka sondro-bidim-piainana ny azy mbola any ambany be an’ny 10%, saingy henjana ny fitakiana samihafa. Aiza ho aiza amin’izany ny Malagasy? Efa lasa lavitra ny olona amin’ny resaka fitakiana ny fanatsaram-piainana, ary sarotiny vao misy tombotsoam-bahoaka voakitikitika na heverin’ny mpitondra aza fa mety hahasoa ny firenena. Tena mijery lavitra, tsy mifendro, mahay miray hina, mahay manao tsindry amin’ny mpitondra sy ny mpitantana azy, miady hevitra, lavitry ny fitiavan-tena sy fitiavan-kely ka tsy vidiana na omena seza tahaka ny misy aty amin’ny tany mahantra ny mpitarika dia rava ny tsena. Mby aiza ohatra ireo voalaza fa mpiaro ny zon’ny mpanjifa eto amintsika? Tena mahavita ny asany araka ny tokony ho izy ve? Sa ny vahoaka no efa manaiky lembenana ka kivy izy ireo? Tsy finiavana hisintona lakolosy na miantso ny vahoaka hitaky sy hikomy saingy rahoviana isika vao ho taitra sy hahay haneho sy hanao tsindry fa tsy zaka tsy rariny intsony izao? Miakatra 3000Ar ny vidim-bary mimenona fa mangina ihany, tonga 3500Ar fa mbola ohatr’izay, ary efa ho 4000Ar fa mitaraina sy mimenomenona dia tapitra, eny tena mahari-pery. Ny an’olona izany resaka sosialim-bahoaka izany tena goavana, raharaham-pirenena mafonja, fa ny antsika toa vitan’ny “riz cantonais”, mizara koveta,… ho an’olom-bitsy hanaovana serasera mirefodrefotra no atao hoe: fijerena ny sosialim-bahoaka? Fivoarana inona no ho hita amin’izany ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Fanenana karama farany ambany ho 238.000 Ariary
25-mai-2023

Ireo nitazona 250.000 Ariary indray no voasazy»

Card image cap
Randrana sendikaly «Efa mieritreritra hiverina ho mpandraharaha ve ny filoha?»
25-mai-2023

Rehefa navoakan’ny filankevitry ny minisitra ny hoe 238.000 Ariary aloha ny karama farany ambany dia tadidio fa tsy mbola didy fampiharana iny fa fitanana an-tsoratra, hoy ny Randrana sendikaly.

Card image cap
Fikambanana ADFM Mijoro hanatsara ny toe-karena sy ny sosialin’ny mponina
25-mai-2023

Fikambanam-behivavy niompana tamin’ny fampiroboroboana ny asa tanana sy ny sosialy ary ny fambolena ny ADFM teny am-piandohana na ny Association pour les développement des femmes a Madagascar.

Voir plus