distrikan’Antananarivo Atsimondrano. Vokatry ny fiakaran’ny rano nateraky ny fiakaran’ny ranon’Ikopa izay mandalo eny an-toerana nandritra ny fandalovan’ny rivo-doza Cheneso no nahatonga izany, antony niteraka ny fisian’ireo traboina miisa 830 ihany koa. Voatery napetraka tao amin’ny biraon’ny kaominina araka izany ny 110 tamin’ireo traboina ireo raha nisy ihany koa ireo notsinjaraina tany amin’ny CEG sy ny fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny olo-masin’ny andro farany ao Ampitatafika. Nifandrimbonan’ny kaominina sy ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary araka izany ny fikarakarana sy ny famahanana ireo traboina ireo raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna Rado Ramparaoelina. Na izany aza anefa hoy hatrany ity Ben’ny tanana ity dia efa samy lasa nody namonjy ny trano fonenany avokoa izy ireo raha 5 andro teo ho eo no nijanonany tany amin’ireo trano nahafahany nialokaloka ireo. Nomarihin’ity Ben’ny tanàna ity moa fa ny fitadiavam-bahaolana mikasika ireo tanimbary tototry ny rano ireo no mbola tena manahirana azy ankehitriny koa hanaovany antso avo amin’ny APIPA ny mba hijery akaiky izany.
Pati
Legende : Miantso ny APIPA mba hijery akaiky ny amin’ny manko an’Ampitatafika ny ben’ny tanàna Rado Ramparaoelina
Raikitra ny tsenabe Fivoarana andiany faharoa, karakarain’ny Fikambanana Fivoriana
Olana miampy olana mandavan-taona ny an’ny Jirama !