airtel

Sosialy

21-août-2026

Tantsaha

eny Alakamisy Fenoarivo

Sample post image

Nahazo fampiofanana amin’ny tekinikam-pambolena

21-août-2026

Tonga ety amin’ny kaominina Alakamisy Fenoarivo ny tetikasan’ny OIF mifototra amin’ny fanànana soram-piankohonana sy fampananan’asa ny tanora, hoy ny teo anivon’ny fikambanana Andrimaso sy ity rafitra iraisampirenena misahana ireo firenena miteny na mampiasa ny teny frantsay na OIF ity teny an-toerana omaly. Mifantoka amin’ny fambolena sy ny fiompiana moa ny fiharian’ny mponina eny an-toerana ka taorian’ny fanentanana dia tonga amin’ny fampiofanana an’ireo mpamboly amin’ny teknika ilaina amin’ny fambolena legioma miaraka amin’ny mpampiofana matihanina amin’izany ny ekipan’ny OIF sy ny fikambanana Andrimaso. Nahatratra 50 teo ny isan’ireo mpiofana tonga. Mifanindran-dalana amin’izany ny fanomezana kara-panondro satria mbola betsaka amin’ireo mpamboly ireo no tsy manana kara-panondro nefa ny fanànana izany dia mampivelatra ny asany. Entiny mihindram-bola amin’ireo CECAM misy eny an-toerana, ohatra, ahafahany mifampiraharaha amin’ny mpamatsy masomboly na zezika izay misy eny an-toerana na any amin’ny toeran-kafa ihany koa. Isan’ireo tonga tamin’ny fiofanana omaly i Farasoa Rakotoarivo avy eny amin’ny CUR Vontovorona. Efa tamin’ny faha 18 taonany izy no naniry hanana kara-panondro kanefa tsy nety vita noho ny tsy fananam-bola. Ankehitriny anefa, vita soamantsara ny kara-panondro noho ity tetikasa ity ka nisaotra manokana ny OIF izy tamin’ny fanamoràna ny fahazoany an’izay kara-panondro izay. Sady mbola afaka miofana maimaimpoana mikasika ny fambolena ihany koa hoentina manatsàra ny asa fambolena hivelomana sy hampidiram-bola, hoy hatrany ny fampitàm-baovao voaray.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

21-août-2026

Tsy ampy ny karama, mila fepetra iarovana ny sosialim-bahoaka

Card image cap
21-août-2026

Miantso fandraisana andraikitra ny fikambanana FACHA

Card image cap
21-août-2026

velon-taraina ny mpiompy

Card image cap
21-août-2026

Tsy misy asa tsy mahavelona izany… »

Card image cap
21-août-2026

isan'andro raha kely

Card image cap
20-août-2026

Notolorana mari-piofanana ny tao amin’ny boriboritany IV

Card image cap