airtel

Sosialy

26-oct-2022

Sosialy

Tantsaha Malagasy Mampidi-bola 15 tapitrisa Ariary isan-taona

Sample post image

Eo 80% maherin’ny malagasy dia mbola tantsaha hatramin’izao, hoy isika, hoy ny tale jeneralin’ny banky malagasy NIM na “nouvelle institution de microfinance”,

26-oct-2022

Harizaka Rakoto. Tao anatin’ny fandinihana natao no nahitanay fa manana fidiram-bola eo amin’ny 15 tapitrisa Ariary isan-taona eo ny tantsaha iray, hoy izy. Manana fandaniana manodidina ny 12 tapitrisa Ariary eo. Tokony hanana tahiry avokoa, araka izany, isika malagasy raha misy ny fifanohanana, raha misy ny fifanampiana amin’ny fampianarana fitantanana, fihezahana manao tahiry, arakaraky ny fidiram-bola izay fa tsy voatery hoe izay tonga lany foana. Jerena ny fomba rehetra ahafahantsika mitsinjo ny vody andro merika. Tsy miara-tonga tsinona ny fotoam-pijinjana sy famafazana. Atao izay hahafaha-mitsinjara hampaharitra mandava-taona ny tahiry na ara-bokatra, fitaovana, vola io. Mila fanohanana ara-bola, saina, torohevitra madinidinika miantraika tanteraka any amin’ny fiainany andavan’andro mihitsy izy ireo satria ilay fari-pahatakarana izay zavatra izay tsy mitovy. Ny sarambaben’ny tantsaha izay eo anelanelan’ny madinika indrindra sy ambony indrindra eto no resaka. Tsy voatery ho manana tany koa fa betsaka ny tantsaha manofa tany na manao fifanarahana amin’ny tompon’ny tany amin’ny fambolena ataony, hoy hatrany ny tenany.

J. Mirija

 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Mikasa hamita tetikasa famatsian-drano ankehitriny ny fikambanana Mamiratra Antehiroka,

Card image cap
25-juil-2024

Nampitolagaga ny maro ny fihetsiky ny vehivavy iray tao Toamasina omaly.

Card image cap
24-juil-2024

Mahamasina Hanomboka anio Alarobia 24 Jolay etsy amin’ny kianjan’i Barea Mahamasina ilay Foara Trano

Card image cap