Izany indrindra no antony nitsidihan’ny Ministra Holder Ramaholimasy niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy tao amin’ny sampandraharahan’ny fananantany omaly maraina. Nambarany nandritra izany fa mila irosoana maika ny didy fampiharana ny lalàna mifehy ny boky rovitra sy sarin-tany rovitra satria miteraka fahavoazana eo amin'ny fiainan'ny olona maro izany. Ny bokin-tany mantsy no porofo manamarina ny mahatompon'ny tany ny olona iray. Nilaza ihany koa ny Ministra fa hanampy ny Ministera ny Banky iraisam-pirenena amin’ny fanatsarana sy fanavaozana ny Sampandraharahan'ny fananan-tany sy ny fandrefesan-tany amin'ny alalan'ny tetikasa PRODIGY. Namboarina sy nohatsaraina ny lalàna, ovaina ny fomba fiasa, ary indrindra hiady amin’ireo mafia ny tany ny ministera manomboka izao. Nohamafisiny fa an'ny Malagasy ny tany ary ny mpiasan'ny fananan-tany sy ny fandrefesan-tany dia manampy, mikarakara,ary manakaiky ny vahoaka fa tsy sanatria ho mpanararaotra indray.
Nangonin’i Pati
Legende : Ny ministra nijery ny boky rovitra omaly !
Navoitran’ny tatitra “Born into the Climate Crisis 2. An Unprecedented Life :
Mahatratra 2.400 ny isan’ireo mpiasa maty am-perin’asa isan-taona ho antsika eto Madagasikara,