Taorian’ny fanentanana sy fiofanana arak’asa toy ny fanamboarana savony sy mofomamy nisitrahan’ireo tanora 18 hatramin’ny 35 taona tao amin’ny boriboritany fahefatra dia niditra tamin’ny fanolorana mari-piofanana sy ny fitaovana enti-manana amin’izany ireo tanora maherin’ny 200 isa tao amin’ity boriboritany ity omaly. Notolorana sora-piankohonana ihany koa ny 102 tamin’izy ireo, hoy ny fampitàm-baovao voaray. Mbola tafiditra ao anatin’ny tetikasa soram-piankohonana sy fampananan’asa novolavolain’ny OIF na Sampan-draharaha iraisampirenena misahana ny firenena miteny amin’ny ampahany na manontolo ny teny frantsay niaraka tamin’ny fikambanana Andrimaso, izay mifototra amin’ny fanomezana sora-piankohonana sy fanofànana ary fampitaovana izy ity. Manomboka eto, dia misokatra ho an’ireo tanora ireo ny tontolo arak’asa satria afaka hiditra amin’ny sehatra ara-dalàna izy ireo, hoy ny Andrimaso. Efa manana kopia dia hirariana ny hananany kara-panondro ihany koa, hoy ihany ity fikambànana ity. Isan’ireo tonga nanontrona ny lanonana fanolorana ireo marika ireo omaly ireo manam-pehefana isan-tsokajiny nahitàna ny solontenan’ny Kaominin’Antanarivo Renivohitra, ny lehiben’ny distrika, ny delegen’ny boriboritany fahefatra, ny sefo fokontany. Samy nisaotra sy mbola manantena ny hitohizan’ny fiaraha-miasa amin’ny OIF sy ny fikambanana Andrimaso izy ireo. Nampanantena ny fanamorana amin’ny fanaovana kara-panondro ho an’ireto tanora nisitraka kopia ireto ihany koa ny delegen’ny boroboritany fahefatra, raha ny fampitàm-baovao hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
Noraisin’ny Minisitry ny Fanajariana