ny fampandrosoana iraisampirenena na USAID tamin’ny governemanta malagasy, ny Coca Cola Foundation, ny sehatra tsy miankina ary mpiara-miombon'antoka maro samihafa tamin'ny alàlan'ny tetikasa Water and Development Alliance na WADA, izay nitentina 8,5 tapitrisa dolara, , hoy ny fampitam-baovao voaray omaly. Ny fiaraha-miasa dia nanangana toerana fitsinjarana rano miisa 350 nanomboka ny taona 2017, nitarika fanentanana momba ny fihetsika ara-pahadioavana tokony hataon’ny mpiara-monina ary nanatsara ny fampandehanan-draharahan’ny JIRAMA izay orinasam-panjakana mitsinjara rano manerana any nosy, anisan’izany ny fampihenana ny fahaverezan-drano sy ny fanatsarana ny fitantanana ny kalitaon’ny rano. Ny tetikasa WADA dia fiaraha-miasa nahomby tamin’ireo orinasa lehibe sy mpamatsy vola, ny governemanta malagasy, ny JIRAMA, ny manam-pahaizana momba ny rano sy ny fidiovana avy amin’ny sehatra tsy miankina ary indindra ny vondrom-piarahamonina ifotony izay nitarika ny fikarohana vahaolana ho an’ny fisitrahana rano madio eto Madagasikara, hoy ny Tale jeneralin’ny USAID/Madagasikara, Anne N. Williams, nandritra ny lanonana famaranana ny tetikasa. Ny fikambanana tsy miankina Water and Sanitation for the Urban Poor izay miorina ao Royaume-Uni no nanantanteraka ny tetikasa miaraka amin’ny Global Environment and Technology Foundation sy ny JIRAMA. Ny USAID sy ny Coca Cola Foundation no namatsy vola azy. Araka ny tatitry ny banky iraisampirenena dia 12%-n’ny mponina miisa 3,2 tapitrisa eto Antananarivo no tsy misitraka rano fisotro madio raha 11% ny any Mahajanga ary 16% ny any Toliara. Niasa teo amin’ireo tanan-dehibe miisa 3 ireo ny tetikasa ary koa teo amin’ny kaominina miisa 19 manodidina izay voafaritra fa nanana olana goavana tamin’ny fahazoana rano madio sy fidiovana. Ny tetikasa koa dia nanohana ny fanatsarana ny laboratoaran’ny JIRAMA miisa 6 amin'ny fitiliana ny kalitaon'ny rano,…
J. Mirija
Navoitran’ny tatitra “Born into the Climate Crisis 2. An Unprecedented Life :
Mahatratra 2.400 ny isan’ireo mpiasa maty am-perin’asa isan-taona ho antsika eto Madagasikara,