Haraton’aina ara-tsosialy izay entina hanohanana ny rafitra nasionaly momba fiahiana ara-tsosialy sy ny fiatrehana ny fahantrana nateraky ny krizy io, izany hoe tafiditra ao anatin’ny tetikasa PFSS (Projet de Filets Sociaux de Sécurité de Madagascar)", izay hahakasika ireo faritra 23 eto Madagasikara, ka 3 tapitrisa latsaka ireo olona hisitraka fanampiana miainga amin’io, manome 13%n’ireo tokantrano voasokajy ho tena mahantra fadiranovana. Hanohizana ireo tetikasa fiahiana ara-tsosialy efa nisy io, ka hisy ny tohana ara-bola hoentina manampy sy mampivelatra ny maha olona. Tsara ny manamarika fa efa nanomboka ny taona 2016 ny tetikasa PFSS, ka ny FID (Fonds d’Intervention pour le Développement) sy ny Banky Iraisam-pirenena no isan’ny miara-misalahy amin’ny fanatanterahana azy. Nanomboka tamin’izany, nahatratra 200 000 ireo fianakaviana nisitraka ny tetikasa. Nitombo avy 15 avo heny ny mpisitraka amin’ity tetikasa vaovao ity. Naneho ny solontena maharitry ny Banky Iraisam-pirenena Rtoa Marie-Chantal Uwanyiligira fa tao anatin’ny taona nifanesy, nisedra toe-draharaha maro tsy azo nialana nisy fiantraikany tamin’ny toekarena I Madagasikara, ny resaka toetr’andro sy ara-pahasalamana izay nisy fiantraikkany lehibe tamin’ny fiakaran’ny toekarena sy ny fampihenana ny tahan’ny fahantrana. Nambara fa lohalaharana hatrany tamin’ny fanampiana ireo olona tena marefo mba niatrehana izany sy ho fiarenana ny Banky Iraisam-pirenena.
Toky R
Efa manomboka miditra mian-dalana mankany amin’ny vanim-potoanan’ny hafanana isika eto an-drenivohitra amin’izao.
Miakatrabe ny ranomasina any amin’ny Faritra Atsimo Andrefan’ny Nosy.