airtel

Sosialy

09-févr-2023

Sosialy

Tontolon'ny fampianarana Olana goavana ny fandoavana ny "écolage"

Sample post image

Velon-taraina ny ankamaroan’ny tompon’ireo sekoly tsy miankina eto an-drenivohitra. Hatreto mantsy dia mbola vao ny 20%-n’ireo Ray aman-dRenin’ny mpianatra raha betsaka no nahaefa ny saram-pianaran’ny zanany volana

09-févr-2023

Febroary raha tokony ny fahadimin’ny volana hitsahina no fara-fandoavana izany. Ireo mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana toy ny CEPE sy ny BEPC amin’ny ankapobeny no efa betsaka mandoa raha tsy dia mivaky loha loatra ireo Ray aman-dReny manan-janaka tsy hiatrika fanadinana. Tsy maintsy hiatrika ny fanadinana laharana fahatelo mantsy ireto farany amin’ity herinandro ity hahafahana mamaritra hatrany ny tena fahaizan’izy ireny. Mahatsiaro tena ho kivy ny ankamaroan’ireo tompon-tsekoly noho izany. Mety hitarika hatramin’ny faran’ny volana indray mantsy izany tsy fandoavana saram-pianarana izany hoy hatrany izy ireo ka hifanotona amin’ny fandoavana ny saram-pianarana volana Martsa. Tsiahivina moa fa vokatry ny fahasahiranana mahazo ny isan-tokantrano avokoa no mahatonga izany. Ny sakafo hohanina hatrany aloha no laharam-pahamehana koa raha mbola tsy voaraoka ilay mpianatra dia mbola manana fanantenana hatrany ireo Ray aman-dReny.
Pati
Legende : Betsaka ireo mpianatra mbola tsy nahaloa saram-pianarana volana Febroary amin’izao !
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Mikasa hamita tetikasa famatsian-drano ankehitriny ny fikambanana Mamiratra Antehiroka,

Card image cap
25-juil-2024

Nampitolagaga ny maro ny fihetsiky ny vehivavy iray tao Toamasina omaly.

Card image cap
24-juil-2024

Mahamasina Hanomboka anio Alarobia 24 Jolay etsy amin’ny kianjan’i Barea Mahamasina ilay Foara Trano

Card image cap