airtel

Sosialy

03-mars-2025

Traboina miisa 400 eny Ambavafolo

Notoloran’ny Mii’zara sakafo mafana

Sample post image

Nisy ny takarivan’ny zoma teo ny hetsika fanomezana sakafo mafàna sy lamba firakotra ary

03-mars-2025

akanjo fitafy ho ana traboina miisa 400 mahery anatina tokantrano miisa 127 notontosain’ny fikambanana Mii’zara tamin’iny lalam-baovao eo Ambavafolo, sampanana Anosy avaratra iny. Tanjon’ny fikambanana hatrany, hoy ny filohan’izy ireo, Fafah Rarivo, ny hanampy ny olona miaina anaty fahasahiranana, izay fantantsika fa maro amin’izao fotoana izao. Izay, hoy izy, no nahatongavanay nanatontosa izany asa soa izany. Hatreto dia mbola maro ireo mponina tsy afa-miverina any an-tokantranony satria mbola tena miakatra ny rano. Iarahantsika mahita izany. Tafiditra any an-tranon’ireo mponina izany rano izany ka mahatonga azy ireo tsy maintsy atoby amin’ireny trano lay ireny aloha. Iarahantsika mahita io fa anaty rivodoza ny andro, mangatsiaka nefa matory amin’ny tany ireo olona ireo anatin’io trano lay kely io. Izay no anton’ilay ezaka hoe aleo sakafo mafana sy izay mafana rehetra no atolotra azy ireo, hoy hatrany ity fikambanana ity.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

21-mai-2025

Raikitra ny tsenabe Fivoarana andiany faharoa, karakarain’ny Fikambanana Fivoriana

Card image cap
20-mai-2025

Olana miampy olana mandavan-taona ny an’ny Jirama !

Card image cap