Raha tsiahivina tokoa mantsy dia nieli-patrana tao anaty tambajotran-tserasera Facebook ny vaovao mifandraika amin’izany, andro maromaro lasa izay. Voatery nandray fepetra araka izany ireo tompon’andraiki-panjakana any an-toerana koa ankoatra ny varika dia fantatra fa arahi-maso fatratra ihany koa ny biby arovana toy ny sokatra any an-toerana sao sanatria misy mihaza ary manao laoka ka hamidiny amin’ny mpanjifa lafobe. Mbola tsy nisy tratra moa ireo trano fisakafoanana hatramin’ny omaly saingy na izany aza mitohy ny fanaraha-maso azy ireny. Hiharan’ny sazy avy hatrany moa izay tratra hoy ny vaovao koa andrasana izay mety ho tohiny.
Pati
Raikitra ny tsenabe Fivoarana andiany faharoa, karakarain’ny Fikambanana Fivoriana
Olana miampy olana mandavan-taona ny an’ny Jirama !