airtel

Sosialy

23-févr-2023

Sosialy

Tsy mitanila, ady amin’ny kolikoly,… Nitosatosaka ny fanomezan-tokin’ny Minisitry ny Fitsarana

Sample post image

Tontosa omaly 22 febroary 2023 ny fifamindram-pahefana¬ teo amin’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjaka¬na, Ministry ny Fitsarana teo aloha,

23-févr-2023

Atoa Rakotozafy sy ny minisitra vaovao Rtoa Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana. Hanohy ny ezaka amin’ny fanatsarana ny Fitsarana ny Minisitra vaovao, araka ny vina napetrany sy noresahany. Nanambara fa hanamafy ny ady amin’ny kolikoly izay velirano faha-3 napetraky ny filoham-pirenena ary tsy handefitra mihitsy; hamerina ny hasin’ny Fitsarana; hametraka ny fanavaozana sy fanamafisana ny fandraharahana ara-pitsarana; hametraka ny fahaleovantenan'ny fitsarana ho Fitsarana manakaiky vahoaka ary tsy mitanila. Nanentana ny rehetra izy mba samy handray ny andraikitra tandrify azy avy, ary hifarimbona amin’ny ezaka izay ho atao. Manana tamberin’andraikitra¬ amin’ny vahoaka isika hoy izy ka tokony ho fialofan’ny mandinika sy azo hiankinan'ny rehetra ny Fitsarana. Misy ny dosie mafampana, ka nilza fa tsy handefitra, ary raisina ny fepetra mifandraika amin’izany. “Rehefa tany tan-dalàna, na iza na iza manao ny tsy mety dia tsy maintsy sokafana ny fanadihadiana. Tsy misy an’izany hoe: fanavakavahana, satria tany tan-dalàna, hihatra amin’ny rehetra ny tany tan-dalàna. Rehefa misy ny fihoaram-pefy sy tsy fanarahan-dalàna dia tsy maintsy raisina ny fepetra”, hoy io Minisitra io, izay nilaza fa hamafisina ny ady amin’ny kolikoly. Nambarany fa ny fahaleovantenan’ny fitsarana dia voalaza ao anatin’ny satan’ny mpitsara. Manana fahaleovantena fa tsy midika fa afaka mihoa-pefy. Nampitandrina ihany koa io Minisitra io, fa mizaka ny vokany ihany koa izay mihoa-pefy amin’ny famoahana zavatra manoso-potaka olona. Momba ny fitakian’ny mpiraki-draharaha, hisy ny fihaonana amin’ny Lehiben’ny mpiraki-draharaha. Betsaka ny toky nomen’ny Minisitra vaovao ka dia miandry ny tena fivadihany ho asa izany ny rehetra? Raha resaka kolikoly, afera maloto, fanodinkodinana volam-panjakana,… dia ao anatin’izao Fitondrana izao angamba no ahitana betsaka indrindra. Maro ireo dosie maloto niniana nampatoriana hatramin’izay ka azo heverina ve ny hifohazany sa hijanona amin’ilay hoe: mandeha ny fanadihadiana mandava-taona? Ny toky fitaka fa ny atao no hita, ka dia samy miandry izany ny rehetra!
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Azo lazaina ho hazo fijaliana ho an’Antananarivo mihitsy ankehitriny ity tohamboivoy tsy mety ahitam-bahaolana ity.

Card image cap
26-avril-2024

Lasa atahoranabe ireo vary mitoby na vao tonga any amin’ny seranan-tsambo eto amintsika amin’izao.

Card image cap
25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap