airtel

Sosialy

13-août-2026

Vahoaka sy ny

governemanta Indianina

Sample post image

Nanolotra vary 5000 taonina ho an’i Madagasikara

13-août-2026

Nanolotra vary 5000 taonina ho fanampiana an’i Madagasikara ny vahoaka sy ny governemanta Indianina, natolotry ny mpiraki-draharahan’ny masoivoho Shri Mohit Kumar. Nilaza izy fa vary no natolotra satria sakafo fototra sy iombonana amin’i Madagasikara sy Inde izany, ary Firenena mamokatra vary betsaka i Inde. Andiany faharoa ity fanampiana ity, taorian’ny rivodoza Gezani, ary amin’izao kosa dia ho an’ireo tratry ny hain-tany sy ny rivodoza. Mifanaraka amin’ny politikan’ny Praiminisitra Narendra Modi momba an’i Afrika izany, izay manome lanja ny kaontinanta ho manana ho avy lehibe. Inde dia efa nanampy tamin’ny fotoan-tsarotra toy ny Covid-19 sy loza voajanahary, ary izao fanampiana izao dia mariky ny firaisankina sy ny fitiavana ary fanamafisana ny fifandraisana ara-toekarena sy ara-diplaomatika eo amin’ny Firenena roa tonta, raha ny nambaran’i Shri Mohit Kumar. Nankasitraka ny governemanta Indianina ny Tale Jeneralin’ny BNGRC Jeneraly Ramanantsoa Gabriel, izay nanipika fa niantraika tamin’ny fiainan’ny vahoaka Malagasy ny rivodoza, ary manambana ny hain-tany any Atsimo, ka hitsinjara araka ireo ny fanampiana. Androy, Anosy, Atsimo Atsinanana, Vatovavy, Atsinanana izay ahitana an’i Toamasina I sy Toamasina II noho izany no hizarana an’ireo, hatao amin’ny fomba mangarahara satria efa fantatra mialoha ny hisitraka azy noho efa fisian’ny fitsirihana ataon’ny ekipan’ny BNGRC, Minisiteran’ny Mponina, ary ny Ofisim-pirenena momba ny fanjarian-tsakafo (ONN) izay efa eny ifotony. Tena ao anatin’ny mangarahara satria na ny mpanome na ny mpizara dia tsy maintsy mila tatitra. Naneho kosa ny Minisitry ny atitany Rakotonandrasana Hanitra Velonjara Tiaray, izay nilaza fa an-tapitrisany ny tratry ny olana ara-tsakafo, fa tsy maintsy mijery ny fepetra mialoha hisorohana ny fahavoazana lehibe mety hitranga raha tsy mandray andraikitra. Hisy ny tranga el-nino, ka mandray andraikitra amin’ny fanapariahana ireo sakafo hisorohana ny mety ho fahavoazana lehibe ny Fanjakana. Tonga ara-potoana sy hahafahana mitsinjo mialoha ny zavatra ahiana mety hitranga ny fanampian’ny governemanta Indianiana, ary efa mandeha ny fametrahana sy fitsinjarana ireo sakafo mba hisorohana ny fahavoazana lehibe.
Toky R

 

Dans la même rubrique

14-août-2026

ireo tanora sy vehivavy

Card image cap
13-août-2026

nivarotra amoron-dalana

Card image cap
13-août-2026

ireo olona ho voakasika

Card image cap
13-août-2026

Nahitana fiakarany in-droa mihataona

Card image cap