airtel

Sosialy

17-janv-2024

VIDIM-BARY

Efa misy mahatratra 1.100 Ar ny iray kapoaka

Sample post image

Midangana izaitsizy ny vidim-bary eny an-tsena amin’izao tapaky ny volana Janoary izao.

17-janv-2024

 Ho an’Antsiranana manokana dia efa misy mananika ny 4.500 Ar ny iray kilao amin’ny makalioka sy ireo karazany mba tsaratsara raha manomboka amin’ny 1.100 Ar kosa ny iray kapoaka. Efa nanomboka tamin’ny faran’ny taona no niainan’ny mponina izany. Ho an’ny distrikan’i Vohemar indray nanomboka tamin’ny fiandohan’ny herinandro teo dia efa tafakatra 1.000 Ar ny iray kapoaka raha 180.000 ka hatramin’ny 190.000 Ar ny iray gony. Betsaka tamin’ireo mpanjifa no nampihena ny vary novidiany vokatr’izany. Ho antsika eto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina indray dia saika manodidina ny 1.000 Ar avokoa ny iray kapoaka amin’ny vary amin’izao. Tsy misy intsony ilay 800 Ar teo aloha izay mbola nahazoana vary iray gony amin’ny vidiny 160.000 Ar. Tena mifehy kibo ny Malagasy vokatr’izany. Ho an-dRamatoa Mirana raha araka ny resaka nifanaovana taminy dia tsy mihoatra ny 2.000 Ar isan’andro ny vary vidiny eny an-tsena izany hoe : roa kapoaka isan’andro. Olona 4 mianaka izy no ao an-tokantrano ka iray kapoaka atoandro, iray kapoaka hariva. Tsy tafiditra intsony ny sakafo maraina. Hiainana amin’ny 1.000 Ar kosa raha araka ny fanazavany hatrany ny saribao sy ny ananakely mba hilaofana sitrany ahay hitazoman’aina. Tsy mihoatra ny 3.000 Ar isan’andro ny fandaniana hataony raha ny nambarany hatrany satria izay no misy.
Pati
Legende : Sary fanehoana
 

Dans la même rubrique