airtel

Sosialy

13-août-2026

VIDIM-BARY ENY AN-TSENA

Niakatra in-droa tato anatin'ny herinandro

Sample post image

Nahitana fiakarany in-droa mihataona

13-août-2026

ny vidim-bary eny an-tsena tato anatin'ny herinandro izao. Nanomboka ny herinandro teo no nahitana taratra izany ka anisan'ny voakasika ny vary tsipala. Tsy nisy intsony ilay kapoakam-bary 600 Ar teo aloha. Lasa 650 Ar izy tamin'ny herinandro ary efa nahatratra 700 Ar ny iray kapoaka nanomboka tamin'ny Alatsinainy teo. Mijanona ho 800 Ar foana kosa ny vary gasy. Raha araka ny resaka nifanaovana tamin'ny mpivarotra enta-madinika iray dia avy any am-potony no mahatonga io fiakaran'ny vidin'ny vary tsipala io. Tsy ny vary ihany hoy izy fa maromaro ireo karazana kojakoja ilaina amin'ny fiainana andavanandro no niaka-bidy. Ny mahagaga anefa dia tsy misy elanelam-potoana iray volana akory izany fiakaram-bidy fa herinandro monja fotsiny. Eo an-danin'izay dia nanamafy Atoa Zafimbahiny Talen'ny varotra sy fanjifana eo anivon'ny Ministeran'ny varotra fa fotoana fitobahan'ny vary gasy eny an-tsena izao. Tapitra mamoaka ny tahirim-bokatra hananany avokoa mantsy ireo tantsaha mpamokatra. Manodidina ny 2.800 ka hatramin'ny 3.000 Ar ny vidin'ny iray kilao raha ny nambarany izany hoe : 800 Ar eo ho eo ny iray kapoaka. Ny vary nafarana kosa hoy izy no tena nahitana fiakarany ny vidiny noho ny tsy fahampiany. Manodidina ny 800 Ar miakatra ny vidin'ny iray kapoaka, miankina amin'ny karazany.
Pati
Légende : Efa misy 800 Ar indray ny kapoakambary eny an-tsena amin'izao !
 

Dans la même rubrique

14-août-2026

ireo tanora sy vehivavy

Card image cap
13-août-2026

nivarotra amoron-dalana

Card image cap
13-août-2026

ireo olona ho voakasika

Card image cap
13-août-2026

Nanolotra vary 5000 taonina ho an’i Madagasikara

Card image cap