Tsy maniry ratsy ho an’ny firenena fa tena mampanahy ny ho avy eo anatrehan’ny tsy fisian’ny politikam-panjakana mazava. Miantraika tanteraka any amin’ny isam-batan’olona ny fidangan’ny vidim-piainana. Efa noresahana teto ihany ny resaka zava-pisotro izay nampiakatra izany ny orinasa lehibe iray. Ny vidin-javatra ilaina andavanandro tsy sasatry ny miakatra, ka raha savony novidiana 500 na 600Ar 5 taona lasa efa any amin’ny 1300Ar amin’izao fotoana izao. Ny menaka nojifaina 5000Ar efa any amin’ny 12000Ar ankehitriny ary ny sokajy ambany vidy aza io. Ny siramamy izay manodidina ny 2200Ar tany amin’ny 5 taona lasa efa any amin’ny 5500Ar ankehitriny. Vao niakatra indray mantsy io satria 4600Ar ny vidin’ny siramamy teo aloha, saingy efa tafakatra 5500Ar izy amin’izao fotoana izao. Any amin’ny 238000Ar ny iray gony 50kg amin’ny siramamy mavokely, ary 250000Ar eo ny fotsy ka mikolay ny mpivarotra. Voalaza fa mihena ny famokarana any ivelany, miakatra ihany koa ny vidin-tsolika, izay mampiakatra ny vidiny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Ny vary moa dia tsy mitsaha-miakatra satria miditra amin’ny vanim-potoana maitso ahitra isika izao, ka efa manodidina ny 3300Ar indray izany ankehitriny. Mbola vao fiandohan’ny volana desambra isika ankehitriny, dia efa hita taratra ny fidangan’ny vidin-javatra, kanefa ny olona miha sahirana andro aman’alina. Henjana ny famaranana ny taona izay vanim-potoana fety, kanefa mbola mafy ihany koa ny fiatrehana ny fiandohan’ny taona. Mitombo ny olana mandindona eo anatrehan’ny tsy fananana politika ara-toekarena mazava. Ny famokarana mbola ambanin-javatra, ary kobaka am-bava aloha no betsaka amin’ny hoe : hovokarintsika eto ny zavatra ilaintsika. Niaraha-nahalala sy naheno tsara fa ny fanafarana vary aza nireharehana ho fampandrosoana ary nolazaina fa tsy afaka hiandry ny famokarana izay 2 taona ny vary vao miakatra. Nanaovana pi-maso ara-politika ny fizarana vary nafarana, izay tsy misy tombony ambony apanga ho an’ny toekarena mihitsy satria ny vola vahiny na «devises » avy eto indray no mivoaka. Tahaka izany ihany koa ireny tamin’ny propagandy ireny hoe : ny sinoa sy ny karana no mahazo tombony amin’ny fividianan’ny mpanao politika koveta nozarazaraina,… Mbola mananontantanana ihany koa ny fiakaran’ny vidin-tsolika izay efa ambaran’ireo mpitantana tobin-tsolika nahazoana vaovao, fa tena tsy azo hihodivirana io. Izao vidiny ankehitriny izao anefa efa mafy, vao mainka hiakatra, izay hiantraika amin’ny seha-pihariana maro. Ny vola Malagasy etsy andaniny mitotongana andro aman’alina izay efa eo amin’ny 5000Ar ny sandan’ny 1euro. Ampy hiatrehana an’izany ve ny mety kizarazara zavatra na vola na vatsy ho an’olom-bitsy eo anatrehan’ny fahasahiranana sy fahantran’ny Malagasy izay efa 80,7% no miaina anaty fahantrana lalina ?
Toky R
Sahiko ny miteny fa tafakatra 85 hatramin’ny 90% amin’ny vahoaka Malagasy no mahantra,