airtel

Sosialy

19-sept-2023

Vidin-drano eny Ankadindravola

Ivato Mahalany an’hetsiny isam-bolana ny olona

Sample post image

Efa volana maro indray izao no tapaka tanteraka ny famatsian’ny JIRAMA rano fisotro madio ireo mponina ao amin’ny Fokontany Ankadindravola, kaominina Ivato.

19-sept-2023

Hifampitadiavana mafy izany izay efa mahatratra 1.000 Ar ka hatramin’ny 1.500 Ar ny iray bidon miloko mavo. Tena mahatsiaro mijaly araka izany ireo mponina any an-toerana. Efa mahatratra 2 hetsy Ar isam-bolana mantsy ho an’ny sasany ny vidin-drano iray volana, ahitana olona 5 mianaka eo ho eo izay lafo noho ny hofantrano indray.Ny rano anefa no fototry ny aina. Ankoatra izay dia fantatra fa mampikolay fatratra ireo mponina eny an-toerana ihany koa ny fiakaran’ny vidim-piainana isan’andro. Lohalaharana amin’izany ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro izay mila tsy ho araka intsony. Efa misy 1.000 Ar ohatra ny iray kapoaka amin’ny fotsim-bary, 700 Ar ny labozia lehibe iray, 500 Ar vao mahazo harina fandrehitra iray famarana…., fiakaran’ny vidim-piainana izay iraisan’ny tokantrano Malagasy rehetra amin’ny ankapobeny. Efa ho 3 taona mahery moa izao no efa tsy zarizary ny famatsiana rano avy amin’ny orinasa JIRAMA tao amin’ity Fokontany iray ity koa hanaovan’ny mponina antso avo amin’ny tompon’andraikitra. Nangonin’i Pati
Legende : Ankoatra ny jiro dia olana ihany koa ny famatsian-dranon’ny JIRAMA eto Antananarivo !
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Mikasa hamita tetikasa famatsian-drano ankehitriny ny fikambanana Mamiratra Antehiroka,

Card image cap
25-juil-2024

Nampitolagaga ny maro ny fihetsiky ny vehivavy iray tao Toamasina omaly.

Card image cap
24-juil-2024

Mahamasina Hanomboka anio Alarobia 24 Jolay etsy amin’ny kianjan’i Barea Mahamasina ilay Foara Trano

Card image cap