airtel

Sosialy

27-avril-2023

Sosialy

«Vonjy voina» ao Ikongo 6000 Ariary isan’andro no omena ireo mponina miasa

Sample post image

Nandritry ny herintaona dia fahasahiranana foana ny mitatitra ireo entam-barotra avy ao Ikongo toy ny voankazo sy legioma ary vary.

27-avril-2023

Azo lazaina hoe tsy vita na «impossible» mihitsy izany, hoy ny fanazavana teo anivon’ny FID na ny tetikasa famatsiana momba ny fampandrosoana. Voatery mitatitra izany amin’ny alalan’ny dia an-tongotra ireo tantsaha na mivarotra ny entany amin’ny vidiny ambany dia ambany na koa dia manary fotsiny izao ny entam-barony. Antony io hanatanterahana ny tetikasa momba ny lalana toy ny lalamby izao, ohatra, dia voakasiky ny fanavaozana ny kaominin’i Tongoloina sy Manampatrana. Mirefy 16km ny lalamby harenina amin’ny alalan’ny asa-tana-maro hampandraisana anjara ireo mponina ao anatin’ilay tetikasa antsoina hoe «Vonjy voina», izay ireo fianakaviana tena marefo sy sahirana na lasibatrana loza voajanahary moa no tena voakasiny. Asa mandritry ny 8 andro no atakalo vola ao anatin’izany ary olona 600 isa no nisitraka azy io raha ny mikasika ilay tetikasa lalamby voalaza teo. Eo koa ny fanatsarana ny lalana toy ny natao tamin’ny RN 14t izay mampitohy an’i Ifanadiana sy Ikongo. 2 andro vao tody izany nefa 96km. Ny mampitohy an’Ambohimisafy sy Tongoloina koa izao dia olona miisa 600 no nisitraka ny asa fanarenana ity lalana mirefy 12 km ity. Ora 5 isan’andro no hiasan’izy ireo ary handraisany 6000 Ariary isan’andro isan’olona mandritry ny 8 andro, hoy hatrany ny fanazavana. Toy izao manaraka izao moa ny tabilao mampiseho ny fandaharam-potoana mikasika ny tetikasa.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Mikasa hamita tetikasa famatsian-drano ankehitriny ny fikambanana Mamiratra Antehiroka,

Card image cap
25-juil-2024

Nampitolagaga ny maro ny fihetsiky ny vehivavy iray tao Toamasina omaly.

Card image cap
24-juil-2024

Mahamasina Hanomboka anio Alarobia 24 Jolay etsy amin’ny kianjan’i Barea Mahamasina ilay Foara Trano

Card image cap